15 mandra-pirotsaky ny fanahy avy any amin’ny avo+ ho amintsika. Dia hanjary ho saham-boankazo ny tany efitra, ary hoheverina ho ala ny saham-boankazo.+
3 Fa handatsahako rano izay mangetaheta,+ ary hasiako rano kely mikoriana any amin’ny tany karakaina.+ Handatsahako ny fanahiko ny zanakao,+ ary handrotsahako fitahiana ny taranakao.
28 “Aorian’izany, dia handatsahako ny fanahiko+ ny karaza-nofo rehetra,+ ka ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo+ haminany. Ary ny lahiantitra eo aminareo hanonofy, ary ny tovolahy eo aminareo hahita fahitana.