3 Ary tany Betania izy, tao an-tranon’i Simona boka.+ Raha mbola nandry ilika nisakafo izy, dia tonga ny vehivavy iray nitondra tavoahangy vatosanga nisy menaka manitra lafo vidy be, izay narda tena izy. Novakin-dravehivavy ny vavan-tavoahangy, ary naidiny teo an-dohan’i Jesosy ilay menaka.+