23 Ary hitan’i Ahitofela fa tsy narahina ny toroheviny,+ dia nasiany lasely ny ampondra, ka lasa nankany an-tranony tany an-tanànany izy.+ Ary namela hafatra tamin’ny ankohonany izy,+ dia nananton-tena+ ka maty.+ Koa nalevina+ tao amin’ny fasan-drazany izy.
18 Ary nividy+ saha tamin’ny vola azony tamin’ny tsy fahamarinana+ izy. Nianjera anefa izy ka ny lohany no lasa aloha.+ Ary vaky ny tao anatiny ka nipoaka, dia nipotsaka daholo ny tsinainy.