FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Asan’ny Apostoly 4:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Ary feno fanahy masina+ i Petera, ka namaly hoe:

      “Ry mpitondra vahoaka sy anti-panahy isany!

  • Asan’ny Apostoly 24:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Dia nanao fihetsika tamin’ny lohany ny governora mba hanomezana fitenenana an’i Paoly, ka hoy ny navalin’i Paoly:

      “Fantatro tsara fa mpitsaran’ity firenena ity efa an-taonany maro ianao. Koa faly aho hilaza aminao ny mombamomba ahy ho fiarovan-tenako.+

  • Asan’ny Apostoly 25:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Koa ny ampitson’iny àry, dia tonga tamin’ny fomba nanetriketrika be+ i Agripa sy Berenika, ary niditra tao amin’ny efitra fitsarana, niaraka tamin’ny mpitari-tafika sy ny olona ambony tao an-tanàna. Dia nanome baiko i Festosy ka nampidirina i Paoly.

  • Asan’ny Apostoly 26:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Fa hoy i Paoly: “Tsy lasa adala aho akory, ry Festosy Governora hajaina ô, fa milaza tenin’ny fahamarinana sy tenin’olona misaina tsara.

  • Asan’ny Apostoly 27:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 ka nanao hoe: ‘Aza matahotra, ry Paoly, fa tsy maintsy mijoro eo anatrehan’i Kaisara ianao.+ Tsara fanahy Andriamanitra ka hitsimbina ny ain’izay rehetra miara-dia aminao ato an-tsambo.’

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara