2 Hitsiry toy ny rantsana+ eo anatrehany izy, ary ho toy ny faka maniry eo amin’ny tany tsy misy rano. Tsy manana bika aman’endrika manintona izy, na manana famirapiratana.+ Tsy hahita an’ilay bika aman’endrika anirianay azy izahay rehefa mijery azy.+
5 “Ho avy ny andro”, hoy i Jehovah, “izay hampipoirako tsimoka marina ho an’i Davida.+ Hisy mpanjaka hitondra+ eo amin’ilay tany. Ho malina izy io ary hanao ny rariny sy ny hitsiny.+