14 Ary hoy ianareo: ‘Fa nahoana?’+ Satria i Jehovah no mijoro ho vavolombelona miampanga anao eo anatrehan’ny vadin’ny fahatanoranao,+ izay nivadihanao na dia namanao sy vady vita fifanekena+ taminao aza.
3 Koa raha mbola velona àry ny vadiny, dia holazaina hoe mpanitsakitsa-bady izy raha lasa vadin’olon-kafa.+ Fa raha maty kosa ny vadiny, dia afaka amin’ny lalàn’ny vadiny izy, ka tsy mpanitsakitsa-bady raha lasa vadin’olon-kafa.+
4 Aoka ho mendri-kaja eo imason’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrianan’ny mpivady,+ fa homelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpanitsakitsa-bady.+