Matio 6:10 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 10 Ho tonga anie ny fanjakanao!+ Hatao etỳ an-tany+ anie ny sitraponao,+ tahaka ny any an-danitra! Marka 14:36 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 36 Ary hoy koa, izy: “Aba,* Ray ô,+ hainao ny zava-drehetra. Esory amiko ity kaopy* ity, nefa aoka tsy izay tiako no hatao, fa izay tianao.”+ Jaona 5:30 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 30 Tsy manao na inona na inona araka ny nahim-poko aho, fa araka izay reko no itsarako, ary marina ny fitsarako,+ satria tsy ny sitrapoko no tiako hatao, fa ny sitrapon’ilay+ naniraka ahy. Jaona 6:38 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 38 satria tsy ny hanao ny sitrapoko no nidinako avy any an-danitra,+ fa ny hanao ny sitrapon’ilay naniraka ahy.+
36 Ary hoy koa, izy: “Aba,* Ray ô,+ hainao ny zava-drehetra. Esory amiko ity kaopy* ity, nefa aoka tsy izay tiako no hatao, fa izay tianao.”+
30 Tsy manao na inona na inona araka ny nahim-poko aho, fa araka izay reko no itsarako, ary marina ny fitsarako,+ satria tsy ny sitrapoko no tiako hatao, fa ny sitrapon’ilay+ naniraka ahy.
38 satria tsy ny hanao ny sitrapoko no nidinako avy any an-danitra,+ fa ny hanao ny sitrapon’ilay naniraka ahy.+