FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Daniela 12:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 “Fa ianao kosa, mirosoa ho amin’ny farany.+ Dia hiala sasatra+ ianao, nefa hitsangana any am-parany mba hahazo ny anjaranao.”+

  • Jaona 11:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Dia hoy i Marta: “Fantatro fa hitsangana izy amin’ny fananganana ny maty+ amin’ny andro farany.”

  • Asan’ny Apostoly 17:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 satria izy efa nanondro andro iray izay kasainy hitsarana+ ny tany onenana, eny, hitsarany azy araka ny marina amin’ny alalan’ny lehilahy iray voatendriny. Ary efa nomeny antoka ny amin’izany ny olona rehetra tamin’ny nananganany+ azy io tamin’ny maty.”

  • 1 Tesalonianina 4:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 satria ny Tompo mihitsy amin’izay no hidina avy any an-danitra+ ka hanome baiko mafy amin’ny feon’arkanjely+ sady hihazona ny trompetran’Andriamanitra.+ Koa izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana voalohany.+

  • Apokalypsy 20:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Ary hitako ny maty, na ny lehibe na ny kely,+ nijoro teo anoloan’ny seza fiandrianana, dia nisy horonam-boky* novelarina. Fa nisy horonam-boky iray koa novelarina, dia ny horonam-bokin’ny fiainana.+ Ary ny maty dia notsaraina araka izay voasoratra tao amin’ireo horonam-boky, araka izay nataon’izy ireo.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara