FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jeremia 10:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 I Jehovah kosa anefa no tena Andriamanitra.+ Izy no Andriamanitra velona+ sy Mpanjaka mandritra ny fotoana tsy voafetra.+ Hihovotrovotra ny tany+ noho ny fahatezerany, ary tsy hisy firenena hahatanty ny fanamelohany.+

  • Daniela 6:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 Mamoaka didy+ aho fa tokony hangovitra eo anatrehan’ilay Andriamanitr’i Daniela sy hatahotra azy+ ny olona any amin’ny faritra rehetra manerana ny fanjakako. Fa izy no ilay Andriamanitra velona sy Ilay maharitra mandrakizay.+ Ny fanjakany+ dia fanjakana tsy ho rava,+ ary ny fitondrany haharitra mandrakizay.+

  • 2 Korintianina 3:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Miharihary fa taratasin’i Kristy nosoratanay mpanompo+ ianareo, tsy nosoratana tamin’ny ranomainty anefa, fa tamin’ny fanahin’Andriamanitra+ velona, ary tsy teo amin’ny takela-bato,+ fa teo amin’ny takelaka nofo, dia ny fo.+

  • 1 Tesalonianina 1:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Mbola tantarain’izy ireo foana mantsy ny nidiranay voalohany teo aminareo, sy ny nialanareo tamin’ny sampy+ ka nitodihanareo tamin’Andriamanitra mba hanompoana Andriamanitra velona+ sady tena izy,+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara