23 Ankoatra izany, dia mitoloko+ ao am-po koa isika izay manana ny voaloham-bokatra,+ izany hoe ny fanahy, sady miandry fatratra ny fananganana antsika ho zanaka+ sy ny fanafahana antsika amin’ny vatantsika, amin’ny alalan’ny vidim-panavotana.
13 Fa fanahy iray tokoa no nanaovana batisa+ antsika rehetra mba ho vatana iray ihany isika, na Jiosy na Grika, na mpanompo na olona afaka. Ary nampisotroina+ fanahy iray ihany isika rehetra.