30 “‘Izay mamely olona* ho faty dia hovonoina ho faty+ noho ny tenin’ny vavolombelona roa,+ fara fahakeliny, satria mpamono olona izy. Tsy afaka miampanga olona* mba hamonoana azy ho faty raha vavolombelona iray monja.
15 “Raha vavolombelona iray monja, dia tsy afaka mijoro hiampanga olona ny amin’ny fahadisoana na fahotana+ mety hataony, na inona izany na inona. Amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no hahamarim-pototra ilay raharaha.+
16 Raha tsy mihaino kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho marim-pototra amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo ny raharaha rehetra.+