8 Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin’ny fahoriana nanjo anay tany amin’ny faritr’i Azia,+ fa niharam-panerena faran’izay mafy izahay, eny, mihoatra noho izay zakanay, ka tsy azonay antoka intsony mihitsy na ny ainay aza.+
10 Aza matahotra an’izay fijaliana efa hiaretanao.+ Fa tsy hitsahatra hanao ny sasany aminareo any am-ponja ny Devoly.+ Amin’izay dia hozahan-toetra+ tanteraka ianareo, ary hiharam-pahoriana+ folo andro. Aoka ianao tsy hivadika mandra-pahafatinao,+ dia homeko anao ny satroboninahitry ny fiainana.+