42 Dia niakatra i Ahaba mba hihinana sy hisotro. Fa i Elia kosa niakatra teo an-tampon’i Karmela, dia nipetraka nininginingina teo amin’ny tany,+ ka nataony teo anelanelan’ny lohaliny ny tarehiny.+
45 Nandritra izany fotoana izany, dia maintin’ny rahona ny lanitra ary nifofofofo ny rivotra,+ ka nirotsaka ny oram-be nivatravatra.+ Koa nitaingina ny kalesiny i Ahaba, ary nanezaka mafy ho tonga tany Jezirela.+