FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 33:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Aleo hampianariny an’i Jakoba ny didim-pitsaranao,+

      Ary hampianariny an’i Israely ny Lalànao.+

      Aleo izy ireo hanolotra emboka manitra mba ho hanitra mahafinaritra anao,*+

      Ary hanolotra fanatitra mba hodorana manontolo eo amin’ny alitaranao.+

  • 2 Tantara 17:8, 9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Ireto ny Levita niaraka tamin’izy ireo: Semaia, Netania, Zebadia, Asahela, Semiramota, Jonatana, Adonia, Tobia, ary Tob-adonia. Ary niaraka tamin’ireo koa i Elisama sy Jorama izay samy mpisorona.+ 9 Nampianatra tao Joda izy ireo sady nitondra ny boky misy ny Lalàn’i Jehovah.+ Dia nitety ny tanàna rehetra tao Joda izy ireo, ka nampianatra ny vahoaka.

  • Nehemia 8:7, 8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Ary nanazava ny Lalàna tamin’ny vahoaka+ ny Levita sasany, dia i Jesoa, Bany, Serebia,+ Jamina, Akoba, Sabetahy, Hodia, Mahaseia, Kelita, Azaria, Jozabada,+ Hanana, ary Pelaia. Mbola nitsangana ihany ny vahoaka tamin’izay. 8 Ary nanohy namaky mafy an’ilay boky misy ny Lalàn’Andriamanitra ny Levita, ka nohazavain’izy ireo mazava tsara ny dikany. Nampiany hahazo ny dikan’izay novakiny àry ny olona.*+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara