2 Navelan’i Jehovah ho resin’i Jabina mpanjakan’i Kanana àry izy ireo.+ Tao Hazora i Jabina no nanjaka, ary i Sisera no lehiben’ny tafiny. Tao Harosetan’ireo firenena* kosa i Sisera no nipetraka.+
7 Ary hoentiko any aminao, any amin’ny reniranon’i* Kisona,+ i Sisera lehiben’ny tafik’i Jabina sy ireo kalesy fitondrany miady ary ny miaramilany. Dia hataoko resinao izy.’”+
15 Ary nataon’i Jehovah nifanaritaka,+ teo anoloan’ny sabatr’i Baraka, i Sisera sy ny kalesy rehetra fitondrany miady ary ny miaramilany rehetra. Dia nidina niala tamin’ny kalesiny i Sisera tamin’ny farany, ka lasa nandositra.