16 Ny marainan’ny andro fahatelo, dia nisy kotroka sy tselatra ary rahona matevina+ teo ambonin’ilay tendrombohitra. Nisy feon’anjombona naneno mafy be koa. Ary nangovitra ny vahoaka rehetra tao an-toby.+
18 Dia nidona-tsetroka ny Tendrombohitra Sinay iray manontolo, satria nidina teo amboniny tao anaty afo i Jehovah.+ Niakatra hoatran’ny setroky ny lafaoro fandoroana biriky ny setrok’ilay izy. Ary nihovotrovotra be ilay tendrombohitra manontolo.+