FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Salamo 43:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  3 Alefaso ny hazavanao sy ny fahamarinanao.+

      Hitarika ahy anie ireny;+

      Enga anie ireny hitondra ahy ho any amin’ny tendrombohitrao masina sy ny tranolainao be voninahitra!+

  • Ohabolana 6:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Fa jiro ny didy,+

      Hazavana ny lalàna,+

      Ary lalana mankany amin’ny fiainana ny anatra sy ny fanitsiana.+

  • Isaia 51:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Henoy tsara aho, ry vahoakako!

      Mihainoa ahy, ry fireneko!+

      Fa hisy lalàna havoakako,+

      Ary ny fampiharako ny rariny no hataoko manazava ny firenena.+

  • Romanina 15:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Fa izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana mba hampianarana antsika.+ Amin’izay isika dia hanana fanantenana,+ satria manampy antsika hiaritra+ sady manome fampiononana antsika ny Soratra Masina.

  • 2 Timoty 3:16, 17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra,+ ary mahasoa mba hampianarana,+ hananarana, hanitsiana an’izay tsy mety, hanabeazana* mifanaraka amin’ny fahamarinana,*+ 17 mba hahatonga ny olon’Andriamanitra ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara hanaovana ny asa tsara rehetra.

  • 2 Petera 1:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Lasa azontsika antoka kokoa àry ny teny faminaniana. Koa tsara raha mandinika azy io ianareo, toy ny fandinika jiro+ mamirapiratra ao amin’ny toerana maizina, izany hoe ao am-ponareo, mandra-pahazavan’ny andro sy mandra-piposaky ny kintana fitarikandro.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara