-
Lioka 8:9, 10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Ary nanontany azy momba ny hevitr’ilay fanoharana ny mpianany.+ 10 Dia hoy i Jesosy: “Ianareo no navela hahazo ny dikan’ny zava-miafina masina momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Fa fanoharana kosa no atao amin’ny olon-kafa,+ mba hijery izy fa tsy hahita, ary haheno fa tsy hahazo ny dikan’ny zavatra henony.+
-
-
Asan’ny Apostoly 28:25, 26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Dia tsy nifanara-kevitra izy ireo ka niala tsikelikely, fa i Paoly kosa niteny fotsiny hoe:
“Marina mihitsy ny tenin’ny fanahy masina tamin’ny razambenareo, tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany, 26 hoe: ‘Mandehana any amin’ity vahoaka ity ka lazao hoe: “Haheno tokoa ianareo nefa tsy hahazo ny dikan’izany mihitsy, ary hijery ianareo nefa tsy hahita mihitsy.+
-