Nataon’i Davida, tamin’izy mody adala+ teo anatrehan’i Abimeleka ka noroahiny, ary lasa nandeha.
א [Alefa]
34 Hidera an’i Jehovah foana aho;
Ho eo am-bavako foana ny fiderana azy.
ב [Beta]
2 I Jehovah no ho reharehako;+
Handre an’izany ny mpandefitra ka ho faly.
ג [Gimela]
3 Andao hiara-mankalaza an’i Jehovah amiko;+
Andao isika hiara-manandratra ny anarany.
ד [Daleta]
4 Nanontany an’i Jehovah aho, dia namaly ahy izy.+
Nanafaka ahy tamin’ny tahotro rehetra izy.+
ה [He]
5 Miramirana izay mitodika any aminy;
Tsy ho menatra izy ireo.
ז [Zaina]
6 Niantso ity olo-mahantra ity, dia nohenoin’i Jehovah.
Novonjeny tamin’ny fahoriany rehetra izy.+
ח [Heta]
7 Ny anjelin’i Jehovah mitoby manodidina an’izay rehetra matahotra Azy,+
Ka mamonjy azy ireo.+
ט [Teta]
8 Andramo dia ho hitanao fa tsara i Jehovah;+
Sambatra ny olona mialoka aminy.
י [Yôda]
9 Matahora an’i Jehovah, ianareo olony masina rehetra,
Fa tsy ory na inona na inona izay matahotra azy.+
כ [Kafa]
10 Na ny liona tanora matanjaka aza mety ho noana ihany,
Fa izay mitady an’i Jehovah kosa tsy mba ho ory zava-tsoa.+
ל [Lameda]
11 Avia ianareo, ry zanako! Henoy aho;
Hampianariko hatahotra an’i Jehovah+ ianareo.
מ [Mema]
12 Iza aminareo no mankafy fiainana,
Ka te ho sambatra sy ho ela velona?+
נ [Nona]
13 Tandremo àry ny lelanao mba tsy hilaza zava-dratsy,+
Ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka.+
ס [Sameka]
14 Mialà amin’ny ratsy ka manaova ny tsara;+
Mitadiava fihavanana ka tandrovy izany.+
ע [Aina]
15 Ny mason’i Jehovah mitsinjo ny olo-marina,+
Ary ny sofiny mihaino ny antso vonjy ataon’izy ireo.+
פ [Pe]
16 Manohitra an’izay manao ratsy kosa i Jehovah,
Mba ho voafafa tsy hisy eto an-tany ny fahatsiarovana azy rehetra.+
צ [Tsade]
17 Nitaraina ny olo-marina, dia nihaino i Jehovah;+
Nafahany tamin’ny fahoriany rehetra izy ireo.+
ק [Kôfa]
18 Akaiky an’izay torotoro fo i Jehovah,+
Ary mamonjy an’izay kivy.+
ר [Resa]
19 Maro ny zava-tsarotra atrehin’ny olo-marina,+
Nefa manafaka azy amin’izany rehetra izany i Jehovah.+
ש [Shina]
20 Arovany daholo ny taolany,
Ka tsy misy tapaka ireny na iray aza.+
ת [Tao]
21 Ho fatin’ny loza ny ratsy fanahy;
Hambara ho meloka izay mankahala ny olo-marina.
22 Manavotra ny ain’ny mpanompony i Jehovah;
Tsy hisy hambara ho meloka izay mialoka aminy.+