4E Fanafahana mba Hiaraka Amin’i Kristy
Fi 1:23—“hafahana.” Gr.: analysai; lat.: dis·solʹvi
Matoanteny ny hoe analysai, ary anarana miendrika matoanteny izy ao amin’ny Fi 1:23. Indroa izy io no miseho ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, ka ao amin’ny Lk 12:36 ny faharoa. Ny fiverenan’i Kristy no tiana holazaina amin’izy io ao. Miseho indray mandeha kosa ilay anarana mifandray amin’izy io hoe analysis, ao amin’ny 2Ti 4:6. Hoy ny apostoly Paoly ao: “Efa antomotra ny fotoana voatondro hanafahana ahy.” Nadikanay hoe ‘fiverenana’ ilay matoanteny ao amin’ny Lk 12:36, satria manondro ny fiverenan’ilay tompo, izany hoe ny niaingany avy tany amin’ilay fampakaram-bady, ka niravan’ilay fety. Tsy nadikanay hoe “fiverenana” na “fiaingana” anefa izy io ao amin’ny Fi 1:23, fa nadikanay hoe ‘fanafahana.’ Mety hisy heviny roa mantsy ilay teny: Ny fanafahana an’ilay apostoly mba hiaraka amin’i Kristy amin’ny fiverenany, sy ny fanafahana ny Tompo mba tsy ho voahazona any an-danitra ka ho afaka hiverina, araka ny nampanantenainy.
Tsy nilaza mihitsy ilay apostoly ao amin’ny Fi 1:23 hoe hovana ho fanahy avy hatrany izy raha vao maty, mba hiaraka amin’i Kristy mandrakizay. Tsy ho afaka hiaraka amin’i Kristy Tompo mantsy izy raha tsy amin’ny fiverenan’i Kristy, izany hoe rehefa hitsangana ireo maty ao amin’i Kristy, dia ireo hitsangana voalohany, araka ny tenin’ilay apostoly ao amin’ny 1Te 4:15-17. Izany fiverenan’i Kristy izany sy ny fanafahana an’ilay apostoly mba hiaraka amin’ny Tompo foana, no resahina ao amin’ny Fi 1:23. Zavatra roa, hoy i Paoly, no mety hitranga aminy: 1) Na mbola ho velona ao amin’ny nofo ihany izy, na 2) ho faty. Noho ny zava-nisy, dia nilaza izy fa sahiran-kevitra teo anatrehan’ireo toe-javatra roa ireo, ka tsy nampahafantatra izay hofidiny. Nilaza zavatra fahatelo izy avy eo, dia ny ‘fanafahana.’ Io no tena tiany, ary tsy isalasalana fa tiany kokoa noho ireo roa voalohany, satria midika fa hiaraka amin’i Kristy izy.
Ilay teny hoe tô analysai, na “hafahana”, àry dia tsy manondro ny fahafatesan’ilay apostoly amin’ny maha olombelona azy sy ny fialany amin’izany fiainana izany. Izy io kosa dia manondro ny zava-mitranga amin’ny fiverenan’i Kristy sy mandritra ny fanatrehany (jereo F.F. 4B), ary amin’ny fotoana ananganana an’izay rehetra maty ao amin’i Kristy mba hiaraka aminy mandrakizay.