FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/12 p. 32
  • Zavatra Ilain’ny Tanora Amin’izao Andro Izao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Zavatra Ilain’ny Tanora Amin’izao Andro Izao
  • Mifohaza!—1996
Mifohaza!—1996
g96 8/12 p. 32

Zavatra Ilain’ny Tanora Amin’izao Andro Izao

Nilaza ny zazavavy iray 14 taona any New Jersey, Etazonia, fa teo am-piandohan’itỳ taona itỳ, dia tsy maintsy nanoratra fitantarana momba ny hoe “Ny Antony Anaovan’ny Mpianatra Fraude Amin’ny Fitsapam-pahaizana” izy. Nitondra ilay bokiny hoe Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra tany am-pianarana izy mba hanaovana fikarohana. Nandray azy io ny iray tamin’ireo mpiara-mianatra aminy ka nanomboka namaky ireo lohatenin’ireo fizarana ao amin’ireo loha hevitra ao anatiny, toy ny hoe “Ny Maha-lahy sy ny Maha-vavy ary ny Fari-pitondran-tena” sy ny hoe “Ny Fiarahana Amin’ny Ankizilahy na Ankizivavy, ny Fitiavana ary Ireo Tsy Lahy na Tsy Vavy Tahaka ny Tena”.

“Afaka mahazo an’itỳ boky itỳ ve aho?”, hoy ny nanontanian’ilay mpiara-mianatra.

“Nohazavaiko fa ahy izy io”, hoy ilay mpianatra, “kanefa hitondrako iray izy. Rehefa nitondrako izy, dia nisy mpiara-mianatra hafa nahita ilay boky ka nangataka ahy mba hitondra iray ho azy koa. Tsy ela taorian’izay, dia nitondra folo tamin’ilay boky Manontany ny Tanora ho an’ireo mpianatra naniry hahazo azy io aho.”

 Mihevitra ilay mpianatra 14 taona fa boky sarobidy tokony hananana ilay boky. Hoy izy: “Tena mila an’io zavatra vita an-tsoratra io tokoa izahay, satria tena sarotra izany hoe tanora izany amin’izao andro izao.”

Raha tianao ny hahazo iray amin’ilay boky hoe Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra, na raha tianao ny hisian’ny olona hitsidika ao an-tokantranonao mba hiara-midinika aminao momba ny hasarobidin’ny fampianarana ara-baiboly, dia manorata any amin’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara, B.P. 511, 101 Antananarivo, raha sitrakao, na any amin’ny adiresy akaiky indrindra ny misy anao voalaza eo amin’ny pejy faha-5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara