FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/10 p. 30
  • Avy Amin’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Avy Amin’ny Mpamaky
  • Mifohaza!—1997
  • Mitovitovy Aminy
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1996
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—2002
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1997
  • Louis Pasteur — Ny Nahariharin’ny Asany
    Mifohaza!—1996
Hijery Hafa
Mifohaza!—1997
g97 8/10 p. 30

Avy Amin’ny Mpamaky

Faneken’ny Vehivavy Manambady Tena nankasitrahako tokoa ilay lahatsoratra hoe “Ny Fiheveran’ny Baiboly: Ny Faneken’ny Vehivavy Manambady — Midika ho Inona Izany?” (8 Desambra 1996). Tsy mpino ny vadiko, ary sarotra ny manaiky azy indraindray. Maniry hanome ny ohatra tsara indrindra azoko omena aho mba hahafahako hitaona azy. (1 Petera 3:1). Kanefa, maniry hiorina mafy eo amin’ny fanompoako an’i Jehovah koa aho. Nampahery ahy ilay lahatsoratrareo, ary nahafaly ahy ny fahalalana fa miahy ahy ilay Andriamanitro.

M. S., Etazonia

Hitako ho tena mampahafanta-javatra ilay lahatsoratra. Koa satria mihamitombo ireo fanerena avy amin’i Satana, dia mila io karazam-panazavana io isika mba hitoerana ao amin’ny finoana. Nankafiziko manokana ilay ohatra avy ao amin’ny Baiboly momba an’i Abigaila sy ilay hevitra hoe ny vehivavy manambady dia tokony hampiseho fahaiza-manavaka ary tsy tokony hatao izay hahatsiarovany tena ho meloka noho ny nanombohan-javatra tao anatin’ny tarehin-javatra sasany.

D. M., Etazonia

Louis Pasteur Roa ambin’ny folo taona aho ary maniry hampahafantatra aminareo fa nankasitrahako ilay lahatsoratra hoe “Louis Pasteur — Ny Nahariharin’ny Asany”. (8 Desambra 1996). Eo am-pianarana momba an’i Louis Pasteur izahay amin’ny fianarana siansa. Nampiasaiko io lahatsoratra io rehefa nanomana famoaboasan-kevitra aho ary nahazo isa folo amboniny tamin’ny naotiko aho!

A. P., Etazonia

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara