Fanjavonan’ny Karazan-javamaniry — Nahoana?
NISY karazam-barimbazaha efa ho 10 000 nambolena tany Sina tamin’ny 1949. Tamin’ireo taona 1970 anefa, dia 1 000 monja no mbola nampiasaina. Tany Etazonia, tamin’ireo karazam-paoma 7 098 voalaza fa nampiasaina teo anelanelan’ny taona 1804 sy 1904, dia tokony ho 86 isan-jato no tsy misy mahalala intsony. Fanampin’izany, araka ny Report on the State of the World’s Plant Genetic Resources for Food and Agriculture (tatitra momba ny tahiry zenetikan’ny zavamaniry atao sakafo sy famboly), dia “toa tsy misy intsony ny 95 isan-jaton’ny karazan-daisoa, ny 91 isan-jaton’ny karazan-katsaka, ny 94 isan-jaton’ny karazam-pitipoà, ary ny 81 isan-jaton’ny karazam-boatabiha”. Antontan’isa mitovy amin’izany no anaovana tatitra any amin’ny firenena maro maneran-tany. Inona no nahatonga ilay fihenana tampoka? Misy olona sasany milaza fa antony lehibe mahatonga izany ny fielezan’ny fambolena ara-barotra maoderina, ary nanaraka azy io, dia ny fahafatesan’ny toeram-pambolena madinika notantanam-pianakaviana, izay niteraka famoizana karazam-bokatra nentim-paharazana sy maro samihafa.
Afaka mahatonga ny fihenan’ny vokatra ny famoizana ny karazan-javamaniry. Ohatra, diniho ny mosary lehibe tsy nisian’ny ovy tany Irlandy, tamin’ny 1845-1849, ka olona 750 000 teo ho eo no matin’ny hanoanana, rehefa nanimba ny ankamaroan’ny ovy vokatra ny aretin-javamaniry iray. Ny antony biôlôjika nahatonga io loza io? “Fitovian’ny fototarazony”, hoy ny tatitra iray avy any amin’ny Firenena Mikambana.
Trano fitahirizana fototarazo miisa 1 000 mahery no naorina maneran-tany nandritra ireo taona 1970 sy 1980 mba hanangonana sy hiarovana tahirin-javamaniry zenetika. Kanefa, mihasimba haingana ny maromaro amin’ireo trano fitahirizana fototarazo ireo, ary efa nakatona sahady ny sasany. Voalaza fa firenena tokony ho 30 monja sisa ankehitriny no manana trano sahaza mba hitahirizana maharitra voan-javamaniry amin’ny fomba azo antoka.
Mampanantena ny Baiboly fa eo ambany fanapahan’ny Fanjakan’i Kristy, i Jehovah “dia hanao fanasana ho an’ny firenena rehetra (...), dia fanasana amin’ny zavatra matavy, fanasana amin’ny divay efa niotrika ela, zavatra matavy be tsoka”. (Isaia 25:6). Afaka ny ho velom-pankasitrahana erỳ isika satria hanome fahafaham-po amin’ny zavatra rehetra tena ilain’ny olombelona ara-tsakafo i Jehovah Andriamanitra, “izay manome hanina ny nofo rehetra” sady Mpamorona ny fototarazo maro isan-karazany! — Salamo 136:25; Genesisy 1:29.