Nohatanjahin’ny Finoan’ilay Tovolahy
Nanoratra tany amin’ny biraon’ny Fikambanana Watch Tower any Moldavia, repoblikan’ny Firaisana Sovietika teo aloha, ny ankizivavy iray, 17 taona, mba haneho fankasitrahana noho ny lahatsoratra iray nivoaka tao amin’ny Mifohaza! 8 Jona 1998. “Ny Safidiko Nanoloana Ray Anankiroa” no lohatenin’ilay lahatsoratra, ary nitantara ny zavatra niainan’ny tanora armenianina iray izy io.
“Nanganohano ny ranomasoko teo am-pamakiana ilay lahatsoratra, satria mitovy amin’ny tantarako ny azy”, hoy ny fanazavan’ilay ankizivavy. Hoy koa izy: “Nanomboka nianatra ny Baiboly aho, fony aho 15 taona, ary tsy nanohitra izany ny ray aman-dreniko tamin’ny voalohany. Rehefa nanomboka nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa aho, dia tena tsy nankasitraka izany izy ireo. Avy eo, tamin’ny 1997, rehefa nanomboka nilaza tamin’ny hafa momba izay zavatra nianarako aho, dia hoy izy ireo tamiko: ‘Mandehana mankany amin’ny Vavolombelona namanao any, ary aoka izy ireo no hanome hanina sy fitafiana ary asa anao. Zanaka tsy mpankato ianao!’ Nosazin’ny ray aman-dreniko mihitsy aza aho, ka napokany tamin’ny rindrina ny lohako.
Fitsapana mafy ho ahy izany. Matetika aho no nahatsapa toa an’ilay tanora armenianina izay nilaza fa nanontany tena izy, indraindray, raha faly taminy i Jehovah. Hoy aho anakampo hoe: ‘Dia olona tsy misy ilana azy ve aho? Hamela ny fahotako teo aloha ve i Jehovah? Mbola tia ahy ihany ve i Jehovah?’
Tena mafy be izany, indrindra fa rehefa nieritreritra aho hoe tsy tia ahy intsony i Jehovah. Matetika aho no nitalaho tamin’i Jehovah tao amin’ny vavaka, tamin-dranomaso, mba hanampy ahy sy hanatanjaka ahy ka tsy handaozako azy mihitsy. Ary, hitako tokoa fa nandre ny vavaka nataoko sy namaly ny fitalahoako, i Jehovah. Nampiany aho mba hitoetra ho miorina tsara, sy ho tapa-kevitra ary ho be herim-po. Tamin’ny alalan’ny Teniny indrindra indrindra no nanaovany izany. Ao tokoa ny mpanao salamo dia nanambara tamin-toky hoe: ‘Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy.’ — Salamo 27:10.
Nanamarika ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah tamin’ny alalan’ny batisa aho, tamin’ny 27 Septambra 1997, tamin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany iray nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, tany Kagul. Hitako mazava tsara fa i Jehovah, Raintsika be fitiavana any an-danitra dia manatanteraka ny fampanantenany voalaza ao amin’ny Salamo 84:11, manao hoe: ‘Masoandro sy Ampinga Jehovah Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen’i Jehovah; tsy hiaro zava-tsoa amin’izay mandeha amin’ny fahitsiana Izy.’
Tena velom-pankasitrahana an’ilay tanora armenianina izay nilaza ny tantarany manatanjaka finoana, tao amin’ny gazety Mifohaza!, aho. Manantena aho fa, rehefa mandeha ny fotoana, dia hampiseho fahalianana amin’ny fianarana Baiboly ny ray aman-dreniko sy ny azy.”