FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • yp2 p. 193
  • Tovolahy Modely—Hezekia

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tovolahy Modely—Hezekia
  • Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
  • Mitovitovy Aminy
  • Avelany Hisafidy Isika Satria Omeny Voninahitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • “Nifikitra Tamin’i Jehovah Foana Izy”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Hezekia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Nanampy An’i Hezekia Mpanjaka Andriamanitra
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
yp2 p. 193

Tovolahy Modely—Hezekia

Nisy fiovana lehibe teo amin’ny fiainan’i Hezekia. Vao 25 taona izy dia efa lasa mpanjakan’ny Joda. Mpanjaka tsara ve izy? Sa kosa mpanjaka ratsy fanahy toa an’i Ahaza rainy? Mpivadi-pinoana i Ahaza, ary tsy nibebaka mihitsy mandra-pahafatiny. Nampirisika ny olona hanompo sampy izy. Nodorany ho an’ny andriamani-diso mihitsy aza ny zanany sasany. (2 Tantara 28:1-4) Mbola niezaka ny ho tia ny fivavahana tamin’i Jehovah foana anefa i Hezekia, na teo aza izany rehetra izany. Tsy nieritreritra koa izy hoe tsy maintsy nanaraka izay nataon-drainy. “Nifikitra tamin’i Jehovah” foana izy.—2 Mpanjaka 18:6.

Tsy tia ny fivavahana amin’i Jehovah koa ve ny dadanao na mamanao? Mampijaly anao ve izy? Sa manao zava-dratsy hafa, ary tsy mety miala amin’izany? Miezaha tsy hanahaka azy! Marina fa nampalahelo ny zava-nisy tao an-tranon-dry Hezekia, nefa tsy navelany hanimba ny fiainany izany. Lasa mpanjaka tena tsara izy, ka ‘tsy nisy tahaka azy ny mpanjakan’ny Joda rehetra taoriany.’ (2 Mpanjaka 18:5) Ho tsara koa ny fiainanao any aoriana any, raha ‘mifikitra amin’i Jehovah’ foana ianao, na dia mafy aza izao ny manjo anao ao an-trano.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara