LESONA 65
Novonjen’i Estera ny Fireneny
Nisy ankizivavy jiosy atao hoe Estera nipetraka tao Sosana, tany Persa. Nentin’i Nebokadnezara niala tany Jerosalema ny razambeny, taona maromaro talohan’izay. Nanana havana atao hoe Mordekay i Estera. Mpiasan’i Ahasoerosy mpanjakan’i Persa izy io, ary izy no nitaiza an’i Estera.
Nitady vady vaovao i Ahasoerosy tatỳ aoriana. Nentina tao aminy àry ny vehivavy tsara tarehy rehetra eran’ilay tany nanjakany, ka anisan’izany i Estera. Dia i Estera no nofidin’ny mpanjaka. Tsy navelan’i Mordekay hiteny i Estera hoe Jiosy izy.
Nisy lehilahy atao hoe Hamana, lehiben’ny olona ambony rehetra. Nanambony tena izy, ka tiany hiankohoka teo anatrehany ny olona rehetra. Tsy nety anefa i Mordekay. Tezitra be àry i Hamana dia te hamono azy. Rehefa fantany hoe Jiosy i Mordekay, dia nanao tetika hamonoana ny Jiosy rehetra eran’ilay tany izy. Hoy izy tamin’ny mpanjaka: ‘Tena mampidi-doza ireo Jiosy ireo fa vonoy any daholo.’ Dia hoy i Ahasoerosy: ‘Ataovy izay tianao e!’ Navelany hanao lalàna i Hamana hoe tokony hovonoina daholo ny Jiosy rehetra, amin’ny andro faha-13 amin’ny volana Adara. Hitan’i Jehovah anefa izany rehetra izany.
Tsy fantatr’i Estera hoe nisy an’izany lalàna izany. Nandefasan’i Mordekay kopian’ilay lalàna àry izy, sady nasainy nandeha niresaka tamin’ny mpanjaka. Hoy anefa i Estera: ‘Hovonoina ho faty ange izay mankany amin’ny mpanjaka nefa tsy nasainy e! Izaho anefa efa 30 andro izao no tsy nasainy hankany aminy. Fa ao fa ho any ihany aho, dia ho hita eo raha tondroiny amin’ny tehiny. Raha tsy tondroiny moa dia ho faty aho izany.’
Nankany amin’ny tokotanin’ny mpanjaka àry i Estera. Vao hitan’ny mpanjaka izy dia notondroiny tamin’ny tehiny, dia nanontaniany hoe: ‘Inona no ilainao ry Estera?’ Hoy izy: ‘Misy fety iray izay mba tiako hanasana anao sy Hamana.’ Rehefa tany ry zareo, dia nasain’i Estera hanatrika fety hafa fanindroany. Nanontanian’ny mpanjaka indray izy tamin’izay hoe: ‘Inona no ilainao ry Estera?’ Dia hoy izy: ‘Misy mitady hamono izaho sy ny fireneko fa mba vonjeo re e!’ Dia hoy ny mpanjaka: ‘F’iza no te hamono anareo?’ Hoy i Estera: ‘Io Hamana ratsy saina io!’ Tezitra be i Ahasoerosy ka tonga dia nasainy novonoina i Hamana.
Tsy nisy afaka nanafoana an’ilay lalàna nataon’i Hamana anefa, na dia ny mpanjaka aza. Nataony lehiben’ny olona ambony rehetra àry i Mordekay, dia navelany hanao lalàna vaovao hoe mahazo miaro tena ny Jiosy rehefa misy manafika. Dia resin’ny Jiosy ny fahavalony, tamin’ny 13 Adara. Nanao fety foana ry zareo isan-taona, ho fahatsiarovana an’izany.
“Hoentina eo anatrehan’ny governora sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, mba ho vavolombeloko eo anatrehan’izy ireo sy ireo firenena.”—Matio 10:18