FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Tafoforana”
  • Tafoforana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tafoforana
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Manadio sy Mandrendrika Metaly
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fatana Fandrendrehana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Metaly
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Vy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Tafoforana”

TAFOFORANA

Fitaovana fitsofana afo amin’ny lafaoro, izay mibontsina rehefa fenoina rivotra, ary mifintina rehefa avoaka amin’ny fantsona ny rivotra. Io no tsara kokoa noho ny fikopahana afo tsotra na bararata noloahana na fantsona itsofana rivotra. Tsotra ny tafoforana fahiny satria kitapo nisy fanambaniny, ary nasiana fantsona vy nifandray tamin’ny lafaoro. Mety ho bararata koa anefa ilay fantsona, saingy nasiana tanimanga mahatanty afo ny tendrony. Tafoforana nopaompina tanana no nampiasaina tamin’ny lafaoro kely. Tafoforana roa nohitsahin’ny tongotra havia sy havanana kosa no nampiasaina tamin’ny lafaoro lehibe nahamay be. Nifandimby nipaompy ny tongotra roa, ary nisy tady nosintonina mba hamenoana rivotra an’izay tafoforana lany rivotra. Samy nipaompy tafoforana roa ny mpiasa roa, mba hirehitra foana ny afo. Avy amin’ny fototeny hoe nafah (‘mitsoka’) (Ge 2:7) ny hoe mappoah (heb.) (“tafoforana”), izay tsy hita afa-tsy ao amin’ny Jeremia 6:29. Toa miresaka an-kolaka tafoforana ampiasaina rehefa mandrendrika metaly koa anefa ny fanoharana ao amin’ny Isaia 54:16 sy Ezekiela 22:20, 21.​—Jereo MANADIO SY MANDRENDRIKA METALY.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara