FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Kapernaomy”
  • Kapernaomy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Kapernaomy
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Nanatanteraka Faminaniana ny Mesia
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2016
  • Ny antony nahatongavan’i Jesosy teto an-tany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Manodidina ny Ranomasin’i Galilia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • A7-D Ny Zava-nisongadina Tamin’ny Fiainan’i Jesosy Teto An-tany—Fanompoana Nataon’i Jesosy Tany Galilia (Fizarana 1)
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Kapernaomy”

KAPERNAOMY

(Kapernômy) [avy amin’ny teny heb., ary midika hoe “Tanàna Kelin’i Nahoma”; na “Tanàna Kely Fampiononana”].

Tanàna teo amin’ny morony avaratrandrefan’ny Ranomasin’i Galilia, izay nanaovan’i Jesosy ny ankamaroan’ny fanompoany teto an-tany. Nisy birao famorian-ketra tao. Niasa tao i Matio rehefa nantsoin’i Jesosy ho lasa mpianany. (Mt 9:9) Nisy toby miaramila koa angamba tao, matoa nisy manamboninahitra nonina. (Mt 8:5) Nisy tandapa nonina koa tao, ary azo lazaina hoe mpanankarena izy io satria nanana mpanompo maromaro. (Jn 4:46-53) Toa tanàna lehibe sy nalaza àry i Kapernaomy, ka mendrika ny hantsoina hoe “tanàna any Galilia.”​—Lk 4:31.

Toerana roa no tena lazain’ny olona hoe nisy an’ilay Kapernaomy fahiny. Maro no mihevitra azy io ho ilay tanàna rava ao Kan Minyeh (Horvat Minnim), eo amoron’ny Ranomasin’i Galilia eo amin’ny zorony avaratratsinanan’ny Lemak’i Genesareta. Hita avy tamin’ny zavatra nofongarina tao anefa fa tanànan’ny Arabo izy io. Ilay faharoa kosa dia i Tell Hom (Kefar Nahom), tanàna lehibe efa rava eo amoron-tsiraka, tokony ho 4 km any avaratratsinanan’i Kan Minyeh. Efa ho 4 km any atsimoandrefan’ny toerana ivarinan’ny Reniranon’i Jordana ao amin’ny Ranomasin’i Galilia no misy an’io toerana faharoa io. Somary tery ny lemaka amoron-tsiraka eo amin’io toerana io. Nisy lalana anefa teo fahiny: Avy tany Jordana izy io no nitsontsorika nidina, nandalo an’i Kapernaomy, ary namakivaky ny Lemak’i Genesareta alohan’ny hihaonany tamin’ilay lalambe avy any Mezopotamia sy Damaskosy. Namakivaky an’i Palestina ilay lalambe avy eo ary tonga hatrany Ejipta. Maro ny loharano eo amin’ny Lemak’i Genesareta, izay mivarina ao amin’ny Ranomasin’i Galilia manga mahafinaritra. Mitondra zavamaniry maro ny rano avy amin’ireny loharano ireny, ka izay no mahabe trondro an’ilay farihy. Mety tsara ho an’ny mpanarato àry ilay toerana.​—SARY, Boky Faha-2, p. 739.

Teo am-piandohan’ny fanompoany dia nidina nankany Kapernaomy i Jesosy sy ny reniny sy ny rahalahiny ary ny mpianany. Vao avy tany Kana izy ireo tamin’izay, tany amin’ilay fampakaram-bady nanaovan’i Jesosy fahagagana voalohany. Nijanona andro vitsivitsy tao Kapernaomy izy ireo talohan’ny hiakarany tany Jerosalema tamin’ny Paska taona 30.​—Jn 2:12, 13.

Taorian’izay, i Jesosy no nanomboka ny asa fitoriana lehibe nataony tany Galilia. Nanao fahagagana indray izy tany Kana: Tsy niala tao izy, nefa nositraniny ny zanakalahin’ny tandapan’i Heroda Antipasy, izay narary tany Kapernaomy, tany amin’ny 26 km tany ho any. (Jn 4:46-54) Azo inoana hoe niely haingana teny amin’ireo tanàna nanodidina ny vaovao momba an’io fahagagana io. Rehefa niala tao Kana ka tonga tany Nazareta, tanàna nahabe azy àry i Jesosy, dia afaka niteny tamin’ireo nihaino azy fa hilaza aminy izy ireo hoe: “Efa renay izay efa nataonao tany Kapernaomy ka ataovy eto ... koa izany.” (Lk 4:16, 23) Niala tao Nazareta i Jesosy satria nitady hamono azy ny olona tao. Lasa àry izy “nipetraka tao Kapernaomy, tanàna amoron-dranomasina, ao amin’ireo faritra misy an’i Zebolona sy Naftaly.” (Mt 4:13-16; Lk 4:28-31) Tanteraka tamin’izany ny faminanian’i Isaia (9:1, 2), izay milaza fa hahita hazavana lehibe ny olona nandeha tao amin’ny haizina tao amin’io faritra io.

Toa teo amin’ny Lemak’i Genesareta, teo atsimoandrefan’i Kapernaomy i Jesosy no nihaona tamin’i Petera sy Andrea (izay efa lasa mpianany; Jn 1:35-42). Tamin’izay i Jesosy no nanasa azy ireo mivantana mba hiaraka taminy teny amin’ny fanompoana. Toy izany koa no nataony tamin’i Jakoba sy Jaona. (Mr 1:16-21) Nitory tao amin’ny synagogan’i Kapernaomy izy avy eo, ary nanasitrana lehilahy nisy demonia. Avy tao amin’io tanàna tsara toerana io no “niely nanerana ny faritra manodidina” ny fitoriany sy ny fahagagana nataony. (Lk 4:31-37; Mr 1:21-28; jereo SYNAGOGA.) I Kapernaomy no tanàna niavian’i Petera sy Andrea, izay samy mpanarato. Tao koa i Jesosy no nanasitrana ny rafozambavin’i Petera. Nirohotra nankao amin’io trano io ny olona avy eo, ka nitondra an’ireo marary sy ireo nisy demonia, mba hositranin’i Jesosy.​—Mr 1:29-34; Lk 4:38-41.

Niverina tany Kapernaomy i Jesosy, rehefa avy nitory nanerana an’i Galilia niaraka tamin’ireo mpianatra efatra nantsoiny tany akaiky tany. Efa azo nantsoina hoe ‘tanànany’ na toerana nisy ny ‘tranony’ i Kapernaomy tamin’izay. (Mt 9:1; Mr 2:1) Nirohotra nankany an-tranony indray ny vahoaka, ary tamin’izay izy no nanasitrana malemy iray nampidinin’ny olona avy teo amin’ny tafo. (Mr 2:2-12) Nankany amin’i Matio tany amin’ny birao famorian-ketra izy taorian’izay ary niantso azy. Izy àry no mpianatra fahadimy nentin’i Jesosy niara-nitory taminy. Nanatrika fanasambe tao an-tranon’i Matio i Jesosy tany Kapernaomy, izay nisy mpamory hetra maro (nambanin’ny Fariseo izy ireo).​—Mt 9:9-11; Lk 5:27-30.

Niverina tany Galilia i Jesosy, rehefa avy tany Jodia sy Jerosalema ary avy nankalaza Paska tamin’ny taona 31. Toa teo amin’ny tendrombohitra iray akaikin’i Kapernaomy izy no nifidy an’ireo 12 lahy ho apostoliny, sy nanao an’ilay toriteny malaza teo an-tendrombohitra. (Lk 6:12-49) Rehefa niditra tao Kapernaomy izy, dia notsenain’ny anti-panahy jiosy, izay niangavy azy mba hanao zavatra ho an’ny manamboninahitra iray nanao soa ho an’ny firenena jiosy, sady nanorina synagoga tao an-tanànan’izy ireo mihitsy aza. Tena nino io manamboninahitra tsy jiosy io fa nanan-kery hanasitranana an’ilay mpanompony i Jesosy, na dia nifanalavitra aza izy ireo (toy ny nanasitranany ilay zanaky ny tandapa). Tena nampiaiky volana an’i Jesosy izany finoana izany, ka naminany izy fa maro ny “avy any atsinanana sy ny avy any andrefana” no ho tonga, ka handry ilika hisakafo miaraka amin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra.​—Mt 8:5-13; Lk 7:1-10.

Rehefa hifarana ny fitoriana faharoa nataon’i Jesosy nanerana an’i Galilia, sy taorian’ny nitoriany tany amin’ny faritra nisy ny Gerasianina (na Gadareanina) tany atsimoatsinanan’ny Ranomasin’i Galilia, dia ‘nita an-tsambokely indray izy ka tody teny ampita’, azo inoana hoe teny akaikin’i Kapernaomy. (Mt 8:28; Mr 5:1, 21; Lk 8:26, 40) Anisan’ireo tsindrian-daona niandry an’i Jesosy teo amoron-drano ny vehivavy iray sitrana rehefa nikasika fotsiny ny akanjony. Mbola nanao fahagagana lehibe kokoa noho izany izy avy eo, rehefa nanangana tamin’ny maty ny zanakavavin’i Jairo mpitantana ny synagoga. Efa nampitandremany ny olona mba tsy hiteniteny momba an’ilay fitsanganana tamin’ny maty, nefa mbola “niely eran’ilay faritra ny resaka momba izany.” (Mt 9:18-26; Mr 5:22-43; Lk 8:40-56) Toa tany Kapernaomy na teny amin’ny manodidina izy no nanasitrana lehilahy roa jamba sy lehilahy iray moana sady nisy demonia.​—Mt 9:27-34.

Rehefa hifarana ny fitoriana fahatelo nataon’i Jesosy nanerana an’i Galilia, taloha kelin’ny Paska taona 32 (Jn 6:4), dia nandeha teny ambonin’ny Ranomasin’i Galilia i Jesosy tamin’izy niampita ho eny amoron’i Genesareta teny akaikin’i Kapernaomy. Nanaraka ny morontsiraka ny vahoaka, ka nahita azy nankao Kapernaomy. Nanao lahateny i Jesosy mba hanitsiana ny toe-tsain’ireo vahoaka nitady tombony ireo, ka maro ny mpianany tsy nanaraka azy intsony. Vitsy sisa no tsy nivadika taminy. (Mt 14:23-34; Mr 6:53; Jn 6:17-71) Toa tany Kapernaomy, taorian’ny nanatrehany ny Paska taona 32 tany Jerosalema izy no niteny mafy an’ireo Fariseo mpandala ny fomban-drazana. Nokianiny mantsy ny mpianatr’i Jesosy, nefa izy ireo aza nanafoana ny Tenin’Andriamanitra noho ny fomban-drazana narahiny.​—Mt 15:1-20; Mr 7:1-23; Jn 7:1.

Tamin’ny farany, dia tany Kapernaomy i Jesosy no nanao fahagagana mba hahazoana vola hatao hetra tao amin’ny tempoly. Tamin’izay koa izy no nanao fanoharana momba izay lehibe ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra, sy momba ny ondry nania, ary ny fomba handaminana tsy fifanarahana. Taloha kelin’ny Fetin’ny Trano Rantsankazo taona 32 izany no nitranga, rehefa hifarana ny fitoriana nataony nanerana an’i Galilia sy tany amin’ny ilany avaratr’ilay firenena.​—Mt 17:24–18:35; Mr 9:33-50; Lk 9:46-50.

Notononin’i Jesosy niaraka tamin’i Korazina sy Betsaida i Kapernaomy, rehefa nitanisa an’ireo toerana nanaovany fahagagana izy. (Mt 11:20-24; Lk 10:13-15) Noho i Jesosy efa tao Kapernaomy ary nitory sy nanao fahagagana tao, dia toy ny hoe nasandratra ho any an-danitra izy io. Haetry any amin’ny farany ambany anefa izy io, ka toy ny hoe hampidinina any amin’ny Fasana. Nampiasa fampitomboana fomba filaza i Jesosy tamin’izy niteny hoe raha tany Sodoma no natao ny fahagagana natao tao Kapernaomy, dia tsy ho rava ilay tanàna. Tsy misy intsony toa an’i Sodoma i Kapernaomy ankehitriny. Tanàna rava sisa no ao Tell Hom (Kefar Nahom), izay 1,5 km eo ho eo ny halavany manaraka ny morontsiraka.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara