FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Korintianina, Taratasy ho An’ny”
  • Korintianina, Taratasy ho An’ny

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Korintianina, Taratasy ho An’ny
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-47 — 2 Korintiana
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-46 — 1 Korintiana
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Aoka isika hifankahalala amin’ireo Kristiana voalohany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Paoly
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Korintianina, Taratasy ho An’ny”

KORINTIANINA, TARATASY HO AN’NY

Taratasy roa nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ny Kristianina tany Gresy tamin’ny taonjato voalohany. Boky fahafito sy fahavalo izy ireo ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, ao amin’ny Baiboly malagasy. I Paoly mihitsy no nilaza fa nanoratra azy ireo. Nalefany “ho an’ny fiangonan’Andriamanitra any Korinto” ny voalohany, ary “ho an’ny fiangonan’Andriamanitra any Korinto, mbamin’ny olona masina rehetra eran’i Akaia” ny faharoa.​—1Ko 1:1, 2; 2Ko 1:1.

Misy porofo hafa ankoatra an’izay nolazain’i Paoly manamarina fa izy tokoa no nanoratra ny taratasy voalohany sy faharoa ho an’ny Korintianina. Niaiky, ohatra, ny mpanoratra tamin’ny taonjato voalohany ka hatramin’ny fahatelo fa i Paoly no nanoratra an’ireo taratasy ireo, ary naka teny tao izy ireo. Anisan’ireo “taratasy efatra ambin’ny folo nosoratan’ny apostoly Paoly” hita ao amin’ny “Lisitra Nataon’i Athanase” (taona 367) koa “ireo taratasy roa ho an’ny Korintianina.” Io no lisitra voalohany mirakitra an’ireo boky ao amin’ny Soratra Grika Kristianina ao amin’ny Baiboly ankehitriny. Efa nisy izy io, 30 taona talohan’ilay lisitra navoakan’ny Konsily na Synodan’i Carthage tatsy Afrika (taona 397).

Fanompoan’i Paoly tany Korinto. Tonga tany Korinto i Paoly tamin’ny taona 50 tany ho any. Nandaha-teny tao amin’ny synagoga izy isan-tsabata “sady nandresy lahatra ny Jiosy sy ny Grika.” (As 18:1-4) Nisy nanohitra sy nanevateva anefa izy tao, ka naleony nitory tamin’ny “olona hafa firenena.” Nivory tao amin’ilay trano nifanila tamin’ilay synagoga àry izy sy ireo olona ireo, ka maro ‘no tonga mpino sy natao batisa.’ “Nampianatra ny tenin’Andriamanitra teo amin’izy ireo” nandritra ny herintaona sy tapany i Paoly. Hoy mantsy ny Tompo taminy tao amin’ny fahitana: ‘Manana olona maro ato amin’ity tanàna ity aho.’ (As 18:5-11) Izy no nanorina an’ilay fiangonana tany Korinto, ka hoy izy: “Na manana mpitaiza iray alina ao amin’i Kristy aza ianareo, dia azo antoka fa tsy manana ray maro. Fa tonga rainareo ao amin’i Kristy Jesosy aho, noho ny vaovao tsara.”​—1Ko 4:15.

Ratsy fitondran-tena be ny mponin’i Korinto ka voataona haloto fitondran-tena koa ny sasany teo anivon’ilay fiangonana. Niteny mafy an’ilay fiangonana i Paoly, satria nisy ‘fijangajangana tsy fahita na dia teo amin’ny hafa firenena aza’ teo anivony. Reny mantsy fa nisy lehilahy nanao tokantranomaso tamin’ny vadin-drainy. (1Ko 5:1-5) Nampiasa ohatra mora azon’izy ireo tsara koa izy mba handrisihana azy ireo tsy hivadika. Hain’izy ireo tsara ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena tamin’ny Lalao Ismika natao tany akaikin’i Korinto, ka hoy izy: “Tsy fantatrareo ve fa mihazakazaka avokoa ny mpihazakazaka rehetra manao fifaninanana, nefa iray monja no mahazo ny loka? Mihazakazaha koa mba hahazoanareo azy io. Ary mifehy tena amin’ny zava-drehetra koa izay rehetra mandray anjara amin’ny fifaninanana. Mazava ho azy fa manao izany izy ireo mba hahazoana satroboninahitra mety lo, fa isika kosa mba hahazoana ny tsy mety lo.”​—1Ko 9:24, 25.

Korintianina Voalohany. Nijanona tany Efesosy i Paoly nandritra ny diany misionera fahatelo. (As 19:1) Ny taona farany nijanonany tany angamba izy no nahare vaovao tsy dia tsara loatra momba ny fiangonan’i Korinto. ‘Nisy avy tamin’ny ankohonan’i Kloa’, ohatra, nilaza taminy fa nisy tsy fifanarahana teo amin’ireo Korintianina. (1Ko 1:11) Mety ho nitantara ny zava-nisy teo anivon’ilay fiangonana koa ry Stefanasy sy Fortonato ary Akaiko, izay samy avy tany Korinto. (1Ko 16:17, 18) Nanoratra tamin’i Paoly koa ilay fiangonana mba hanontany zavatra sasany. (1Ko 7:1) Tian’i Paoly hifandray tsara amin’Andriamanitra foana anefa ny mpiray finoana taminy tany Korinto. Nanoratra ny taratasiny voalohany ho azy ireo àry izy tamin’ny taona 55 tany ho any. Tany Efesosy izy no nanoratra azy io, satria hoy izy: ‘Hijanona eto Efesosy aho mandra-pahatongan’ny fetin’ny Pentekosta.’​—1Ko 16:8.

Mety ho i Sostena, izay voaresaka eo am-piandohan’ilay taratasy, no nasain’i Paoly nanoratra azy io. Hoy mantsy i Paoly eo am-pifaranan’ilay taratasy: “Ity no veloma nosoratan’ny tanako, izaho Paoly.”​—1Ko 1:1; 16:21.

Korintianina Faharoa. Tamin’ny faramparan’ny taona 55 angamba i Paoly no nanoratra ny taratasiny faharoa ho an’ny Korintianina. Tany Efesosy izy no nanoratra ny taratasiny voalohany, satria nijanona tany mandra-pahatongan’ny Pentekosta taona 55 izy, na taoriana kelin’izay. (1Ko 16:8) Nankany Troasy izy avy eo saingy tsy nahita an’i Titosy, izay nirahina tany Korinto mba hanampy tamin’ny famoriam-bola ho an’ny olona masina tany Jodia. Nankany Makedonia àry izy, ka tany izy mianaka no nihaona. Notantarain’i Titosy taminy ny fandraisan’ireo Korintianina ny taratasiny voalohany. (2Ko 2:12, 13; 7:5-7) Tany Makedonia àry i Paoly no nanoratra ny taratasiny faharoa, izay nampitondrainy an’i Titosy. Afaka nitsidika an’i Korinto i Paoly, volana vitsivitsy taorian’izay. Indroa àry izy no nitsidika tany. Efa nikasa ho any ihany izy taorian’ny nanorenany an’ilay fiangonana, saingy tsy tanteraka ny fikasany. “Fanintelony” izy izao no nikasa na “vonona” ho any, ka tonga tany tokoa tamin’ny taona 56 tany ho any. (2Ko 1:15; 12:14; 13:1) Nanoratra ny taratasiny ho an’ny Romanina izy tamin’io fitsidihany faharoa io.

Antony nanoratana azy io. Tsara ny tatitra ren’i Paoly tamin’i Titosy. Naneho alahelo araka ny sitrapon’Andriamanitra ny Korintianina rehefa naharay an’ilay taratasy voalohany, ka nibebaka, nazoto, niezaka ny ho afa-tsiny, tezitra, natahotra, ary nanaporofo fa tsy nanan-tsiny. Noderain’i Paoly àry izy ireo tao amin’ilay taratasiny faharoa, noho izy ireo nandray tsara sy nampihatra ny toroheviny. Nampirisihiny izy ireo mba ho ‘vonona hamela amin-katsaram-panahy’ ny helok’ilay lehilahy voaroaka nefa nibebaka, ary “hampionona” azy. (2Ko 7:8-12; 2:1-11; ampit. 1Ko 5:1-5.) Nilaza tamin’izy ireo koa izy mba hamita ny famoriana ny fanampiana ho an’ireo mpiray finoana sahirana tany Jodia. (2Ko 8:1-15) Voatery nanamafy i Paoly fa apostoly ny tenany, satria mbola nanohitra ny fahefany ihany ny sasany teo anivon’ilay fiangonana. Tsy ho an’ny tenany fa “ho an’Andriamanitra”, izany hoe mba hamonjena an’ilay fiangonan’Andriamanitra, no antony nananarany mafy azy ireo sy ‘nireharehany’ ny amin’ny maha apostoly azy.​—2Ko 5:12, 13; 10:7-12; 11:16-20, 30-33; 12:11-13.

Manazava andininy hafa. Nampiasa ny Soratra Hebreo i Paoly mba hanaporofoana hevitra. Naka teny tao amin’ny Salamo, ohatra, izy hoe: ‘Ny eritreritry ny olona [dia] zava-poana toy ny fofonaina.’ (Sl 94:11; 1Ko 3:20) Izany no nanaporofoany hoe zava-dehibe ny fahendren’Andriamanitra, fa hadalana kosa ny fahendren’izao tontolo izao nananan’ny apostoly sandoka. Nametraka an’ilay fanontaniana napetrak’i Isaia tamin’ny Jiosy mpikomy koa izy hoe: “Iza no mahavita mandrefy ny fanahin’i Jehovah, ary iza no ... mampahafantatra azy ny zava-drehetra?” (Is 40:13; 1Ko 2:16) Noporofoiny koa fa manan-jo hahazo fanampiana ny mpitory kristianina, satria nohazavainy fa ho azy ireo no tena nanoratana ny Deoteronomia 25:4, manao hoe: “Aza asiana fehivava ny omby miasa eny am-pamoloana.” (1Ko 9:9, 10) Naka teny tao amin’ny Isaia 25:8 sy Hosea 13:14 (izay milaza fa hofoanana ny fahafatesana) koa izy, mba hampisehoana fa efa ela Andriamanitra no nampanantena fa hitsangana ny maty. (1Ko 15:54, 55) Nanazava bebe kokoa momba ny Sakafo Harivan’ny Tompo izy sady nanome tsipiriany fanampiny, rehefa namerina ny tenin’i Jesosy nandritra ilay fankalazana voalohany.​—Lk 22:19, 20; 1Ko 11:23-34.

Nanonona mivantana na an-kolaka ny Deoteronomia 17:7; Levitikosy 26:11, 12; Isaia 43:6; 52:11; ary Hosea 1:10 i Paoly, mba hampisehoana fa tian’Andriamanitra hadio ara-panahy foana ny mpanompony. (1Ko 5:13; 2Ko 6:14-18) Nilaza izy fa tia nanao fanomezana ny mpanompon’Andriamanitra fahiny, ka ankasitrahan’i Jehovah koa ny Kristianina malala-tanana. (Sl 112:9; 2Ko 9:9) Mihatra amin’ny fiangonana kristianina koa, hoy izy, ilay voalazan’ny Lalàna hoe tenin’ny vavolombelona roa na telo no mahamarim-pototra ny raharaha rehetra. (De 19:15; 2Ko 13:1) Lasa mazava kokoa amintsika àry ny hevitr’ireny andininy efa voasoratra taloha ireny, sy ny fampiharana azy.

[Efajoro, pejy 187]

HEVITRA MISONGADINA: KORINTIANINA VOALOHANY

Taratasy nosoratan’i Paoly noho ny fisaratsarahana sy fitondran-tena maloto teo anivon’ny fiangonan’i Korinto, ary ho valin’ny fanontanian’izy ireo momba ny fanambadiana

Nosoratana tany Efesosy tamin’ny taona 55 tany ho any

Fampirisihana hiray saina (1:1–4:21)

Mampisaratsaraka ny manaraka olona

Ny hevitr’Andriamanitra momba izay atao hoe hendry sy adala no zava-dehibe

Aoka tsy ho olona no ireharehana fa i Jehovah, izay manome ny zava-drehetra amin’ny alalan’i Kristy

Miezaha ho olona matotra sy araka ny fanahy; Andriamanitra no mampitombo ary i Kristy no fototra iorenan’ny Kristianina

Aza mirehareha na mihevi-tena ho tsara kokoa noho ny Kristianina hafa

Tokony hadio foana ny fiangonana (5:1–6:20)

Roahina izay mpijangajanga, manana faniriana tsy mety afa-po, mpanompo sampy, mpanevateva, mpimamo, na mpanao an-keriny

Aleo manaiky hambakaina toy izay hitory Kristianina any amin’ny fitsarana, eo anatrehan’ny tsy mpino

Mandoto ny tempolin’Andriamanitra ireo ratsy fitondran-tena; tsy handova an’ilay Fanjakana

Torohevitra ho an’ny manambady sy mpitovo (7:1-40)

Adidy amim-bady ny fanaovana firaisana, nefa tokony hifampiahy

Aleo manambady toy izay arehitry ny filan’ny nofo

Tsy tokony hiala amin’ny vadiny tsy mpino ny Kristianina; mety hahavonjy ny vadiny ihany izy

Tokony hitoetra amin’izay efa misy azy ny olona lasa Kristianina

Mitombo ny fanahian’izay manambady; ny mpitovo kosa afaka manompo ny Tompo tsy misy fieritreretana zavatra hafa

Hevero izay hahasoa ny hafa (8:1–10:33)

Aza mihinana sakafo natolotra ho an’ny sampy sao hanafintohina olona

Tsy nitaky ny zony hahazo fanampiana i Paoly sao hisakana ny olona tsy hihaino ny vaovao tsara

Raiso ho anatra izay nanjo ny Israely tany an-tany efitra; hahasoa anao izany ary tsy hanafintohina olona ianao

Azo atao ny zava-drehetra, nefa tsy ny zava-drehetra no mampahery

Lamina eo anivon’ny fiangonana (11:1–14:40)

Hajao ny fahefan’ny lehilahy; mila misaron-doha ny vehivavy

Hajao ny Sakafo Harivan’ny Tompo

Ampiasao tsara ny fanomezan’ny fanahy avy amin’Andriamanitra

Mbola tsara kokoa ny fitiavana

Tokony hilamina foana ny fivorian’ny fiangonana

Azo antoka fa hitsangana ny maty (15:1–16:24)

Ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty no antoka

Tsy maintsy maty ny Kristianina voahosotra vao hatsangana ho tsy mety maty sy tsy mety lo

Tsy very maina ny asa mafy atao ao amin’ny Tompo; aoka ho mafy orina ao amin’ny finoana

[Efajoro, pejy 188]

HEVITRA MISONGADINA: KORINTIANINA FAHAROA

Tohin’ilay taratasy voalohany nampirisika ny fiangonana hadio foana sy hanampy an’ireo rahalahy any Jodia, ary ho fanoherana ny fitaoman’ny apostoly sandoka

Nosoratan’i Paoly tamin’ny taona 55, volana vitsivitsy talohan’ny nahatongavany fanindroany sady farany tany Korinto

Fitiavan’i Paoly sy ny fifandraisan’izy sy Timoty tamin’ireo rahalahy (1:1–7:16)

Niharam-pahoriana i Paoly sy Timoty ka saika maty nefa novonjen’Andriamanitra, ka nahazo fampiononana ny hafa

Nitondra tena tamin’ny fahamasinana sy fahatsoram-po; tsy tompon’ny finoan’ny hafa fa mpiara-miasa kosa mba hahazoan’ireny fifaliana

Nosoratana tamim-pitiavana sy tamin-dranomaso be ny taratasy voalohany; avelao ny helok’ilay lehilahy nijangajanga ary ampionòny izy

Ampy fahaizana mba ho mpanompon’ny fifanekena vaovao ry Paoly; ny Kristianina tany Korinto no taratasy fiderana azy ireo sady voasoratra tao am-pony

Tsy nanatsatso ny tenin’Andriamanitra izy ireo fa nitory an’i Kristy Tompo; tsy mazava amin’ireo hajambain’ny andriamanitr’ity tontolo ity ny vaovao tsara, fa toy ny hoe misy lamba manarona

Toy ny tranolay ny vatan’i Paoly sy Timoty ary ny Korintianina, ary manantena ny honina mandrakizay any an-danitra izy ireo; tsy maintsy haseho miharihary eo anatrehan’ny fitsaran’i Kristy ny maha izy ny tsirairay

Zavaboary vaovao ireo tafaray amin’i Kristy; manao fanompoana fampihavanana sady ambasadaoro miangavy ny olona ‘hihavana amin’Andriamanitra’

Nampiseho ny tenany ho mpanompon’Andriamanitra ry Paoly, satria niaritra teo amin’ny fanompoana sady naneho ny vokatry ny fanahy

Malalaka ny fon’izy ireo ka niangaviany koa ireo rahalahy hanalalaka ny fony, tsy hiray zioga amin’ny tsy mpino, hanadio ny tenany ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo sy ny saina

Nahazo fampiononana lehibe i Paoly satria narahin’izy ireo ny toroheviny tao amin’ilay taratasiny voalohany

Fampirisihana hanampy an’ireo rahalahy sahirana tany Jodia (8:1–9:15)

Nahantra be ny Makedonianina nefa niangavy ny hanome fanampiana

Tonga nahantra i Kristy mba hampanan-karena ny Korintianina (sy ny hafa)

Noderaina ny Korintianina satria vonona hanome

Aoka ny tsirairay samy hanao araka izay fanapahan-keviny tao am-pony; ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra

Ny navaly an’ireo apostoly sandoka (10:1–13:14)

Ny navalin’i Paoly an’ireo niampanga azy hoe “malemy”, niasa ‘tao amin’ny faritanin’izy ireo’, “latsa-danja”, ‘tsy mahay miteny’, “adala”, sy hoe tsy mba apostoly toa azy ireo satria namelon-tena

Tsy latsa-danja noho ny tetirazan’izy ireo ny an’i Paoly; be kokoa ny fanenjehana sy zava-tsarotra niaretany noho ny amin’i Kristy, ny fiahiany ny fiangonana, ny fahitana azony ary ny porofon’ny naha apostoly azy

Mandiniha tena foana mba hahitana raha ao amin’ny finoana na tsia

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara