HASENA
(Hasèna) [mety hidika hoe Ilay Nankahalaina].
“Ny taranak’i Hasena” no nanangana indray ny Vavahadin-trondro, rehefa namboarina ny simba tamin’ny mandan’i Jerosalema, teo ambany fitarihan’i Nehemia. (Ne 3:3) Mety ho i Hasena ihany no Sena, satria Hasena tsy misy mpanoritra voafaritra amin’ny teny hebreo ny hoe Sena.—Ezr 2:35; Ne 7:38; jereo SENA.