FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Jehovah no Fahamarinantsika”
  • Jehovah no Fahamarinantsika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Jehovah no Fahamarinantsika
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana isika no tokony hikatsaka ny fahamarinana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Tiavo Amin’ny Fonao Manontolo ny Fahamarinana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Ankasitraho ny Fahamarinan’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Jehovah — Ilay Loharanon’ny Tena Rariny sy Fahamarinana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Jehovah no Fahamarinantsika”

JEHOVAH NO FAHAMARINANTSIKA

Avy amin’ny teny hebreo roa hoe Yehvah Tsidkeno, ary hita ao amin’ny Jeremia 23:6 sy 33:16.

Faminaniana momba ny Mesia ny Jeremia 23:5, 6. Voalaza ao fa hisy mpanjaka hipoitra avy amin’i Davida mba ‘hanao ny rariny sy ny hitsiny eo amin’ilay tany.’ Solontenan’Andriamanitra izy io, toa an’i Davida sy ny mpanjaka hafa voahosotr’Andriamanitra nipetraka “teo amin’ny seza fiandrianan’i Jehovah.” (1Ta 29:23) Hoy àry ilay faminaniana: “Izao no anarana hiantsoana azy: Jehovah no Fahamarinantsika.” Midika izany, hoy ny olona sasany, fa Andriamanitra iray ihany i Jesosy Mesia sy Jehovah. Tsy mitombina anefa izany, satria faminaniana momba ny Mesia koa ny Jeremia 33:14-16, izay milaza toy izao momba an’i Jerosalema: “Izao no hiantsoana azy: Jehovah no Fahamarinantsika.” Samy mitondra ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah ilay mpanjaka nampanantenainy sy ilay renivohitra nofidiny. Izany no antoka fa hampanjaka ny fahamarinana izy ireo. Hanao ny rariny sy ny hitsiny izy ireo satria samy voatokana hanao ny sitrapon’i Jehovah. Hotahiny sy hahazo ny tari-dalany àry izy ireo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara