FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Tantsambo”
  • Tantsambo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tantsambo
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Sambo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • “Tsy Hisy Hamoy ny Ainareo Ianareo”
    ‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
  • Ny Fivavahanao — Sambo Iray Izay Tsy Tokony Hilaozana Mihitsy Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Vatofantsika
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Tantsambo”

TANTSAMBO

Olona mitondra sambo na manampy amin’ny familiana azy; matiloa. (1Mp 9:26, 27; Ezk 27:8, 9; Ap 18:17-19) Nampidi-doza ny asan’ny tantsambo fahiny. Tsy afa-nanoatra izy ireo rehefa nisy tafio-drivotra sady nanonja be ny ranomasina. Hoy ny Salamo 107:26-28: “Mitsonika toy ny savoka izy ireo noho ny fahoriana. Tsy mandeha mahitsy izy ireo fa mivembena toy ny mamo, ka foana daholo ny fahendreny. Dia niantso vonjy tamin’i Jehovah izy ireo rehefa ory.”

Tantarain’ny Asan’ny Apostoly 27:15-19 ny nataon’ny tantsambo rehefa nisy tafio-drivotra. Nakarina tao anaty sambo ny lakan-kely notaritina, izay lakana famonjena aina koa. Nofehezina tady na rojo vy angamba ny vatan’ilay sambo, ary nafatotra mafy teo amin’ny tokotanin-tsambo ilay tady. Nampidinina ny tady nihazona ny lay, angamba ny lay lehibe indrindra. Nariana ny entana sasany mba ho maivana sy hitsinkafona kokoa ilay sambo.​—Ampit. Jo 1:5; As 27:38; jereo SAMBO.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara