FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Nabala”
  • Nabala

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nabala
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Abigaila sy Davida
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Ilay Vehivavy Malina
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
  • “Hotahina Anie ny Fahendrenao”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • Vehivavy Malina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Nabala”

NABALA

(Nabàla) [Adala; Vendrana].

Lehilahy iray mpanankarem-be tao Maona ary mpiompy ondry. Nitondra ny ondriny mba hiraoka ahitra tao Karmela any Joda izy sady nanety azy ireo tao. Voalaza koa hoe Kalebita izy, izany hoe taranak’i Kaleba. Tena ratsy ny zavatra lazain’ny Baiboly momba azy, ary vitsy ihany ny olona resahiny toy izany. Voalaza, ohatra, fa “masiaka sady ratsy toetra” izy, “olona tena tsy manjary [zanak’i Beliala] ... ka tsy azo ifampiresahana mihitsy”, ‘ratsy no avaliny ny soa’ atao aminy, ary “hadalana no ao aminy.”​—1Sa 25:2, 3, 17, 21, 25.

Nanana ondry 3000 sy osy 1000 i Nabala. Tsara fanahy taminy ny olon’i Davida ka niaro an’ireo biby ireo tamin’ny mpandroba, ary tsy naka tamin’ireo mihitsy. Nangataka sakafo tamin’i Nabala àry i Davida, rehefa tonga ny fotoana fanetezana ny ondry, izay fanaovana sakafo be sy fanehoana fahalalahan-tanana tamin’ny vahiny. “Vazavaza sy teny henjana” anefa no navalin’i Nabala an’ireo irak’i Davida, ary nampodiny tanam-polo izy ireo. Natahotra an’izay hataon’i Davida ny olon’i Nabala nefa tsy sahy niresaka tamin’i Nabala. Nisy iray tamin’izy ireo anefa nitantara tamin’i Abigaila, vadin’i Nabala. Notsenain’i Abigaila i Davida, raha mbola teny an-dalana handeha hamono an’i Nabala, ary nitondrany sakafo sy zava-pisotro be dia be. Nandresy lahatra azy koa izy mba tsy hamono ny vadiny ka ho meloka ho nandatsa-dra. Niverina tany an-tranony i Abigaila taorian’izay, ary nahita an’i Nabala “mamo be.” Ny ampitso maraina àry izy vao nitantara tamin’ny vadiny hoe nihaona tamin’i Davida. Nolazainy koa hoe efa saika maty ny rehetra noho ny nataony. Inona no vokany? “Maty tao anatin’i Nabala ny fony, ary nanjary toy ny vato izy.” Lasa nalemy angamba izy, na nisy vokany be teo amin’ny fihetseham-pony ilay zavatra reny. (Ampit. De 28:28; Sl 102:4; 143:4.) Nasian’i Jehovah izy ka maty, rehefa afaka folo andro teo ho eo. (1Sa 25:2-38) Taorian’izay, dia nalain’i Davida ho vady i Abigaila, vehivavy hendry sy be herim-po.​—1Sa 25:39-42; 27:3; 30:5; 2Sa 2:2; 3:3.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara