FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Fantsika”
  • Fantsika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fantsika
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • “Mba Tsy Hisy ho Very”
    Mifohaza!—1992
  • Nanao ahoana ny fipetrak’ireo tongony?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1999
  • Fantatrao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Fantsika”

FANTSIKA

Mitovitovy amin’ny fantsika lehibe ankehitriny ny fantsika fahiny, saingy nisy rirany efatra ny sasany ary lava kokoa ny lohany. Toa halimo ny fantsika voalohandohany, na dia vy aza ny fantsika lehibe kokoa tatỳ aoriana. Nanomana ‘vy be dia be hanaovana fantsika ho an’ny vavahadin’ny’ tempoly i Davida. (1Ta 22:3) Nisy mpikaroka nahita fantsika halimo nopetahana takela-bolamena sy natao haingon-javatra (vita tamin’ny t. 1300-1200 T.K., hono). “Sekely volamena dimampolo [0,6 kg] no lanjan’ireo fantsika” nampiasaina tamin’ny fanorenana ny tempolin’i Solomona.​—2Ta 3:8, 9.

Nahitana ny taolambalon’ny Jiosy iray nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana tamin’ny taonjato voalohany, ny fasana iray teo avaratratsinanan’i Jerosalema nohadina tamin’ny 1968. Nisy fantsika vy 11,5 sm nilentika teo amin’ny taolan’ny voditongony havanana. Mety ho hoatran’io no nampiasain’ny miaramila romanina hamantsihana an’i Jesosy Kristy. Rehefa nahita “ny mariky ny fantsika” teo amin’ny tanan’i Kristy i Tomasy vao nino hoe natsangana izy.​—Jn 20:24-29.

Heviny an’ohatra. Nifarana ny fifaneken’ny Lalàn’i Mosesy rehefa maty teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy. Nesorin’Andriamanitra ny Lalàna, hoy i Paoly, “rehefa nofantsihany tamin’ny hazo fijaliana.” (Kl 2:13, 14) Toy ny “fantsika milentika ireo revo manangona tenim-pahendrena” avy amin’i Jehovah, hoy i Solomona, satria mety hampahery izy ireo ary mety hitondra vokany maharitra ny teny mahafinaritra lazainy.​—Mpto 12:11.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara