NAFTOHIMA
(Naftôhima).
Anisan’ny taranak’i Mizraima, zanakalahin’i Hama. (Ge 10:6, 13, 14; 1Ta 1:11, 12) Matetika no milaza ny manam-pahaizana fa foko na firenena ny Naftohima satria toa amin’ny endriny milaza maro izy io, toy ireo anarana hafa voatonona miaraka aminy. Misy koa milaza fa avy amin’ny anaran’ilay faritra nonenany no nahatonga an’ilay anarana. Matetika àry izy io no ampifandraisin’izy ireo amin’ny teny ejipsianina midika hoe “ireo any amin’ny Vinany.” Raha izany no izy, dia anisan’ireo nonina tany Ejipta Ambany (tany avaratra) ny Naftohima. Tsy azo antoka anefa ny fahamarinan’izany.