FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Neko”
  • Neko

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Neko
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Josia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nahazo Sitraka Tamin’i Jehovah i Josia Nanetry Tena
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Joiakima
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Karkemisy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Neko”

NEKO

(Nekô).

Farao tany Ejipta tamin’ny andron’i Josia mpanjakan’ny Joda. Nilaza i Hérodote, Grika mpahay tantara (II, 158, 159; IV, 42), fa zanak’i Psametika (Psamtika I) i Neko, ka nandimby an-drainy teo amin’ny fitondrana. Nanao lakandrano hampitohy an’i Neily tamin’ny Ranomasina Mena izy, kanefa tsy vitany ilay tetikasa. Nandefa sambo fenisianina maromaro nanodidina an’i Afrika anefa izy. Vitan’ireo soa aman-tsara tao anatin’ny telo taona ilay dia.

Nankany amoron’ny reniranon’i Eofrata i Farao Neko mba hanampy ny Asyrianina, tamin’ny faramparan’ny taona faha-31 nanjakan’i Josia (659-629 T.K.). Tsy niraharaha “ny teny nampilazain’Andriamanitra an’i Neko” i Josia tamin’izay, ka nankany Megido mba hanery ny tafika ejipsianina hiverin-dalana. Naratra mafy anefa izy ka maty. Telo volana teo ho eo taorian’izay, dia nentin’i Farao Neko ho babo i Joahaza, izay nandimby an’i Josia. I Eliakima, 25 taona, indray no nataon’i Neko ho mpanjaka, ary novany hoe Joiakima ny anarany. Lasa teo ambany fifehezan’i Neko àry i Joiakima. Nosazin’i Neko handoa vola be koa ny fanjakan’ny Joda. (2Ta 35:20–36:4; 2Mp 23:29-35) Resin’ny tafika babylonianina notarihin’i Nebokadnezara anefa ny tafik’i Neko tao Karkemisy, telo na efa-taona teo ho eo taorian’izay (625 T.K.).​—Je 46:2.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara