FANAMBARANA MASINA
Dikan’ny teny grika hoe lôgiôn (midika hoe “teny kely”), izay avy amin’ny hoe lôgôs (teny). Miverina inefatra monja ao amin’ny Soratra Grika Kristianina ny hoe lôgiôn. Nidika hoe fanambarana masina fohy izy io taloha, fa lasa nidika hoe teny na hafatr’Andriamanitra. Misy Baiboly malagasy nandika azy io hoe ‘hafatra.’ (DIEM) Ny Fandikan-teny Protestanta kosa manao hoe “tenin’Andriamanitra” ao amin’ny Romanina 3:2 sy Hebreo 5:12 ary 1 Petera 4:11.
“Fanambarana masina sady velona” ny Lalàna nomena an’i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay, hoy i Stefana. (As 7:38) Hoy kosa ny apostoly Paoly momba ny Soratra Hebreo sy izay boky anisan’ny Soratra Grika Kristianina efa voasoratra tamin’ny androny: “Inona àry no tombony ananan’ny Jiosy, ary inona no soa azo avy amin’ny famorana? Maro be tokoa amin’ny lafiny rehetra: Voalohany indrindra, dia izy ireo no nanankinana ny fanambarana masin’Andriamanitra.” (Ro 3:1, 2) Ny Jiosy àry no nampanoratina ny Soratra Masina, “araka izay nitarihan’ny fanahy masina azy.”—2Pe 1:20, 21.
Nilaza i Paoly fa anisan’ny ‘fanambarana masina’ ny fampianaran’i Jesosy Kristy Tompo sy ny apostoliny ary ny an’ny Kristianina hafa nanoratra Baiboly. (He 5:12; ampit. He 6:1, 2.) Hoy koa i Petera: “Raha misy miteny, dia aoka izy ho toy ny milaza fanambarana masin’Andriamanitra.” (1Pe 4:11) Navesa-danja toy ny “andininy hafa ao amin’ny Soratra Masina” koa taminy, ny asa soratr’i Paoly.—2Pe 3:15, 16.
Mampiasa matetika ny hoe lôgiôn ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, toy ny ao amin’ny Salamo 12:6 (11:6, LXX) hoe: “Ny tenin’i Jehovah dia teny madio.” Toy izao kosa no nandikan’i Bagster (LXX, anglisy) azy io: “Ny hafatry ny Tompo dia hafatra madio.”