FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Sina”
  • Sina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sina
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Alosy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Dopka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Refidima
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nirenireny Tany An-tany Efitra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Sina”

SINA

(Sìna).

Anarana tany efitra sy tanàna.

1. Tany efitra nitobian’ny Israelita iray volana teo ho eo taorian’ny nialany tany Ejipta, rehefa avy niala tany Elima sy avy nitoby teo akaikin’ny Ranomasina Mena. Anisan’ireo toerana nitobian’izy ireo i Dopka, Alosy, ary Refidima talohan’ny nahatongavany tao Sinay. (Ek 16:1; 17:1; No 33:9-15) Tao an-tany efitr’i Sina ny Israelita no nimenomenona sy nitaraina hoe tsy misy hena. Tao i Jehovah no nandefa andiana papelika “nanenika ny toby.” Tao koa ny Israelita no nihinana mana voalohany, sy nanomboka nitandrina ny Sabata.​—Ek 16:2-30.

Tsy fantatra izay tena nisy ny Tany efitr’i Sina, na dia azo inoana aza fa tany amin’ny sisiny atsimoandrefana amin’ny Saikinosin’i Sinay izy io. Maro ny mpahay jeografia milaza azy io ho i Debbet er-Ramleh, tany be fasika eo am-pototry ny havoana marin-tampon’i Sinay. Any akaikin’ny toerana voalaza fa nisy an’i Dopka no misy an’io tany lemaka karakaina io.

2. Tanànan’i Ejipta, izay anisan’ireo tsy maintsy nasian’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona tamin’ny sabatra. (Ezk 30:6, 10, 15, 16) Antsoina hoe “tanàna voaro mafin’i Ejipta” izy io. Misy manam-pahaizana mieritreritra hoe ilay Pelusium resahin’ny Vulgate latinina izy io. Tanàna voaro mafy i Pelusium fahiny, ka tena nilaina mba hiarovana an’i Ejipta tsy hotafihin’ny avy any Azia. Maro no mihevitra azy io ho i Tell el Farame ankehitriny, tokotokony ho 32 km any atsimoatsinanan’i Port-Saïd, eo amin’ny morontsirak’i Mediterane. Nahita an’io tanàna niaro ny fidirana tao Ejipta io izay mpanao dia lavitra na tafika nidina avy tany amoron-tsirak’i Filistia. Miresaka azy io i Asorobanipala mpanjakan’i Asyria ao amin’ny tantarany. Voahodidina fasika sy heniheny io toerana io ankehitriny.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara