FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Sinay”
  • Sinay

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sinay
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Sinay — Tendrombohitr’i Mosesy Sady Tendrombohitry ny Famindram-po
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Nanao Voady Tamin’i Jehovah Izy Ireo
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Horeba
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mosesy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Sinay”

SINAY

(Sinày).

1. Tendrombohitra any Arabia. (Ga 4:25) Toa anarany koa ny hoe Horeba (ampit. Ek 3:1, 12; 19:1, 2, 10, 11; jereo HOREBA). Nitoby teo akaikin’ny Tendrombohitra Sinay efa ho herintaona ny Israelita sy ireo olona maro hafa firenena ary ireo biby fiompy maro be. (Ek 12:37, 38; 19:1; No 10:11, 12) Nahazaka olona 3 000 000 mahery teo ho eo ilay faritra nanodidina ny Tendrombohitra Sinay, sady ampy tsara ny rano sy ny kijana ho an’ny biby fiompy. Nisy rian-drano iray, fara fahakeliny, nikoriana avy tany an-tendrombohitra. (De 9:21) Nidadasika koa ny faritra teo am-pototry ny Tendrombohitra Sinay matoa afaka nivory teo ny Israelita sady nahita izay nitranga teo an-tampon’ilay tendrombohitra. Afaka nihataka lavidavitra teo mihitsy aza izy ireo. Nahatazanana ny tendron’ny Tendrombohitra Sinay koa na dia teny amin’ny tobin’izy ireo aza.​—Ek 19:17, 18; 20:18; 24:17; ampit. De 5:30.

Taiza no nisy azy io? Tsy fantatra izay tena nisy ny Tendrombohitra Sinay na Horeba. Araka ny lovantsofina, dia tandavan-tendrombohitra granita mena izy io, eo afovoan’ny ilany atsimo amin’ny Saikinosin’i Sinay, eo anelanelan’ireo sampany roa amin’ny Ranomasina Mena. Mirefy 3 km eo ho eo izy io, avy eo avaratrandrefana mankany atsimoatsinanana, ary roa ny tendrony: I Ras Safsafa sy Jebel Mosa. Maromaro ny rano mikoriana ao amin’io faritra io. Manatrika an’i Ras Safsafa (tendrony avaratra) ny Lemak’i er-Raha, izay mirefy 3 km ny halavany, ary 1 km eo ho eo ny sakany.​—SARY, Boky 1, p. 540.

Hoy i A. Stanley, rehefa avy nandinika an’ilay toerana, tamin’ny taonjato faha-19: “Tena mahavariana ny fifanandrifian’izay lazain’ny Soratra Masina sy ny zavatra misy eo amin’ilay toerana: Misy lemaka eo anoloan’ilay tehezan-tendrombohitra. Porofo marim-pototra izany fa io tokoa ilay toerana sady olona nanatri-maso an’ilay zava-nitranga no nitantara.” Hoy koa izy momba ny nandehanan’i Mosesy sy Josoa nidina ny Tendrombohitra Sinay: “Raha misy midina avy any amin’ireo deboka mitokana any ambadik’i Ras Sa[f]safeh, ka manaraka an’ireo lalankely maro sady mangina eny an-tsefatsefaky ny harambato, avy any avaratra sy avy any atsimo, dia handre ny feo avy any amin’ny lemaka izy fa tsy hahatazana na inona na inona, raha tsy rehefa tafavoaka eo amin’ny lohasaha Wady El-Deir na Wady Leja. Rehefa tonga eo anefa izy dia efa eo am-pototry ny tehezan’i Sa[f]safeh, izay mitsatoka be.” Nilaza koa i Stanley fa tena mety ho nitranga tao amin’io faritra io ilay nanipazan’i Mosesy ny vovok’ilay zanak’omby volamena tao amin’ny “riaka nikoriana avy tany an-tendrombohitra.” (De 9:21) Hoy izy: “Tena mety ho tao Wady Er-Raheh izany no nitranga, satria ao no mivarina ilay rano mikoriana any Wady Leja. Marina fa avy any amin’ny Tendrombohitra St. Catherine ilay rano, nefa mbola tsy dia lavitra an’i Gebel Mosa [Jebel Mosa] izy io, ka manamarina ny filazana fa nisy riaka ‘nikoriana avy tany an-tendrombohitra.’”​—Sinay sy Palestina, 1885, p. 107-109.

Araka ny lovantsofina, dia ilay tendrony avo kokoa any atsimo (Jebel Mosa, midika hoe “Tendrombohitr’i Mosesy”) no Tendrombohitra Sinay. Manam-pahaizana maro anefa no milaza toa an’i Stanley hoe ilay tendrony any avaratra (i Ras Safsafa) no azo inoana kokoa fa Tendrombohitra Sinay, satria tsy misy lemaka malalaka eo anoloan’i Jebel Mosa.

Zava-nitranga teo. Teo amin’ny Tendrombohitra Sinay na Horeba no niseho tamin’i Mosesy tao anaty voaroy nirehitra ny anjelin’i Jehovah, ary naniraka azy hanafaka an’ireo Israelita andevo tany Ejipta. (Ek 3:1-10; As 7:30) Herintaona teo ho eo tatỳ aoriana, dia tonga teo amin’ny Tendrombohitra Sinay ilay firenena afaka tamin’ny fanandevozana. (Ek 19:2) Niakatra an’ilay tendrombohitra i Mosesy mba handray toromarika fanampiny avy amin’i Jehovah, satria efa nilazana izy tao amin’ilay voaroy nirehitra fa ‘hanompo an’ilay tena Andriamanitra eo amin’io tendrombohitra io izy ireo.’​—Ek 3:12; 19:3.

Nasaina niteny tamin’ny vahoaka i Mosesy fa ho lasa fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina izy ireo raha mankatò an-tsakany sy an-davany ny tenin’i Jehovah ary manaja ny fifanekena nataony tamin’izy ireo. (Ek 19:5, 6) Nanaiky an’izany ireo anti-panahy solontenan’ilay firenena. Nasain’i Jehovah nanamasina ny vahoaka àry i Mosesy, mba ho afaka hihaona aminy amin’ny andro fahatelo. Nasiana fetra nanodidina an’ilay tendrombohitra, satria novonoina ho faty izay nikasika azy io na olona na biby.​—Ek 19:10-15.

Nisy “kotroka sy tselatra ary rahona matevina teo ambonin’ny tendrombohitra, sady nisy feon’anjombona naneno mafy be”, tamin’ny marainan’ny andro fahatelo. Nangovitra ny vahoaka tao an-toby. Nentin’i Mosesy nivoaka avy tao an-toby izy ireo nankeo am-pototry ny tendrombohitra mba hihaona tamin’ilay tena Andriamanitra. Nihovotrovotra sy nidona-tsetroka ny Tendrombohitra Sinay. (Ek 19:16-19; Sl 68:8) Nasain’Andriamanitra niakatra tany an-tendrombohitra i Mosesy ary nilazany indray mba hampitandrina ny vahoaka tsy hanandrana hiakatra. Tsy nahazo nihoatra an’ilay fetra na dia ireo “mpisorona” aza (tsy Levita ireo lehilahy ireo fa Israelita, izay nanana zo hanao ny asa fisoronana ho an’ny ankohonany toy ny efa fanaon’ireo loham-pianakaviana fahiny).​—Ek 19:20-24.

Ren’ny vahoaka avy tao anaty afo sy rahona ny “Teny Folo”, rehefa nidina avy tany an-tendrombohitra i Mosesy. (Ek 19:19–20:18; De 5:6-22) Nampiasa anjely i Jehovah mba hiresahana tamin’izy ireo, araka ny Asan’ny Apostoly 7:38 sy ny Hebreo 2:2 ary ny Galatianina 3:19. Raiki-tahotra ny vahoaka noho ny tselatra, setroka, feon’anjombona ary kotroka, ka nirahiny ireo solontenany mba hiangavy an’Andriamanitra tsy hiteny amin’izy ireo tamin’izany fomba izany intsony, fa hiteny amin’ny alalan’i Mosesy. Nasain’i Jehovah niteny tamin’ny vahoaka i Mosesy mba hody any amin’ny tranolainy avy. Natao ireny zava-niseho teo amin’ny Tendrombohitra Sinay ireny mba hatahoran’ny Israelita an’Andriamanitra, ka hankatoavany ny didiny foana. (Ek 20:19, 20; De 5:23-30) Nanakaiky an’ilay rahona mainty matevina teo an-tampon’ny Tendrombohitra Sinay i Mosesy, angamba niaraka tamin’i Arona (ampit. Ek 19:24), mba handre didy sy didim-pitsarana fanampiny avy tamin’i Jehovah.​—Ek 20:21; 21:1.

Nampitain’i Mosesy ny tenin’i Jehovah, rehefa tafidina ny Tendrombohitra Sinay izy, ka nilaza indray ny vahoaka fa vonona ny hankatò. Nosoratan’i Mosesy, avy eo, ny tenin’Andriamanitra, ary nanorina alitara izy ny ampitso vao maraina sady nanangana tsangambato 12 teo am-pototr’ilay tendrombohitra. Nisy fanatitra dorana sy sorona iombonana natolotra, ary nampiasaina ny ran’ireo biby natao sorona mba hampanan-kery ny fifaneken’ny Lalàna.​—Ek 24:3-8; He 9:16-22.

Rehefa vita fifanekena tamin’i Jehovah ny Israelita, dia afaka nanakaiky ny Tendrombohitra Sinay izy ireo, izany hoe ny solontenany. Nanatona an’ilay tendrombohitra i Mosesy sy Arona, Nadaba, Abiho, ary ireo anti-panahin’ny Israely 70, ka nahazo fahitana mahatalanjona momba ny voninahitr’Andriamanitra. (Ek 24:9-11) Niakatra an’ilay tendrombohitra i Mosesy, avy eo, mba hahazo didy fanampiny sy ireo takela-bato nisy ny “Teny Folo.” Niaraka taminy koa i Josoa. Tamin’ny andro fahafito anefa i Mosesy, vao nasaina niditra tao anatin’ilay rahona. Toa niandry an’i Mosesy tany an-tendrombohitra foana i Josoa, teo amin’ny toerana iray tsy nandrenesany na nahitany izay nitranga tao an-toby. (Ek 24:12-18) Tsy voalaza anefa raha tsy nisakafo sy tsy nisotro rano toa an’i Mosesy i Josoa nandritra ny 40 andro. Nandre ny hiran’ireo Israelita tao an-toby i Mosesy sy Josoa, rehefa nidina ny Tendrombohitra Sinay taorian’ireo 40 andro ireo. Rehefa tonga teo am-pototry ny Tendrombohitra Sinay i Mosesy dia tazany ilay zanak’omby volamena sy ny fetin’ny Israelita. Nazerany tamin’ny tany avy hatrany ireo takela-bato roa, ka novakivakiny teo am-pototr’ilay tendrombohitra.​—Ek 32:15-19; He 12:18-21.

Tatỳ aoriana i Mosesy dia nasaina nanamboatra takela-bato roa toy ilay nopotehiny, ary nasaina niakatra ny Tendrombohitra Sinay indray izy nitondra izany mba hanoratana ny “Teny Folo.” (Ek 34:1-3; De 10:1-4) Nijanona 40 andro tany an-tendrombohitra indray i Mosesy, ary tsy nisakafo na nisotro rano. Azo antoka fa nanampy azy Andriamanitra matoa vitany izany.​—Ek 34:28; toa io 40 andro io ihany no resahin’ny De 9:18; ampit. Ek 34:4, 5, 8; De 10:10.

Rehefa vita ny tranolay masina na ny tranolay fihaonana, ka nisy rahona nanarona azy, dia tsy teo amin’ny Tendrombohitra Sinay intsony Andriamanitra no niteny mivantana, fa teo amin’ny tranolay fihaonana, izay teo akaikin’ilay tendrombohitra.​—Ek 40:34, 35; Le 1:1; 25:1; No 1:1; 9:1.

Taonjato maro tatỳ aoriana, dia nankany Horeba, na Sinay, izany hoe ny “tendrombohitr’ilay tena Andriamanitra”, i Elia mpaminany.​—1Mp 19:8.

2. Antsoina hoe “Sinay” koa ilay tany efitra mifanila amin’ny Tendrombohitra Sinay. (Le 7:38) Tsy lazain’ny Baiboly ny sisin-tanin’ny Tany Efitr’i Sinay. Toa teo akaikin’i Refidima no nisy an’io tany efitra io. (Ek 19:2; ampit. Ek 17:1-6.) Tany amin’ny Tany Efitr’i Sinay no naterin’i Jetro rafozandahin’i Mosesy i Zipora vadin’i Mosesy sy ny zanany roa lahy, dia i Gersoma sy Eliezera. (Ek 18:1-7) Ireto avy ny zavatra niavaka sasany nitranga tany amin’ny Tany Efitr’i Sinay: Nivavaka tamin’ny zanak’omby ny Israely, tamin’i Mosesy tsy teo (Ek 32:1-8); novonoina ireo 3000 lahy tena tompon’andraikitra tamin’ny fivavahana tamin’ilay zanak’omby (Ek 32:26-28); nanaisotra ny firavany ny Israelita ho porofon’ny fibebahany (Ek 33:6); namboarina ny tranolay masina sy ny fanaka tao ary ny fitafian’ny mpisorona (Ek 36:8–39:43); napetraka teo amin’ny toerany ny mpisorona ary natomboka ny asa fisoronana tao amin’ny tranolay masina (Le 8:4–9:24; No 28:6); noringanin’i Jehovah tamin’ny afo i Nadaba sy Abiho, zanakalahin’i Arona, satria nanolotra afo tsy ara-dalàna (Le 10:1-3); natao ny fanisana voalohany ny lehilahy israelita afaka niantafika (No 1:1-3), ary ny fankalazana ny Paska voalohany tany ivelan’i Ejipta (No 9:1-5).

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara