HATSEMBOHANA
Rano avoakan’ny fihary ranoka ary mivoaka eo amin’ny mason-koditra. Matetika no tsemboka ny olona rehefa manao zavatra mitaky ezaka (miasa vatana, ohatra) na mihetsi-po (mitebiteby, ohatra) na mafana ny andro na noho ny antony hafa.
Rehefa nanota i Adama, dia tsy maintsy niasa mafy sy tera-tsemboka mba hivelomana tany ivelan’ny zaridainan’i Edena. Voaozona mantsy ny tany ary feno tsilo sy ahidratsy. Hoy i Jehovah taminy: “Amin’ny hatsembohan’ny tavanao no hihinananao hanina, mandra-piverinao amin’ny tany, fa avy tamin’ny tany no nakana anao.”—Ge 3:17-19.
Nasain’i Jehovah nanao fitafiana vita tamin’ny lamba rongony, fa tsy “fitafiana volonondry”, ny mpisorona nanompo tao amin’ilay tempoly tao amin’ny fahitana azon’i Ezekiela. Tsy tokony hanao zavatra mamehifehy vita tamin’ny volonondry, na “mampisy hatsembohana”, izy ireo. Angamba izany natao mba hisorohana ny loto ateraky ny hatsembohana, na mba hahatonga ny fanompoany hahafinaritra foana. Rehefa miteny hoe hatsembohana mantsy, dia asa mafy sy mandreraka ary tsy mahafinaritra, toy ny nataon’i Adama, no tonga ao an-tsaina.—Ezk 44:15-18.
Jesosy tao Getsemane. Hoy ny Lioka 22:44 rehefa mitantara an’izay nanjo an’i Jesosy, tao Getsemane, ny alina farany niainany teto an-tany: “Nihamafy ny fijaliany, ka vao mainka nivavaka mafimafy kokoa hatrany izy, ary nanjary tahaka ny ra nitete teo amin’ny tany ny hatsembohany.” (Lk 22:44) Tsy nilaza i Lioka hoe tena nifangaro ra ny hatsembohan’i Jesosy. Te hilaza fotsiny angamba izy hoe hoatran’ny ra ny hatsembohan’i Jesosy, na hoe nipotrapotraka toy ny ra nitete avy teo amin’ny ratra ny hatsembohany. Mety ho ny ran’i Jesosy koa anefa no nivoaka teo amin’ny mason-kodiny, ka nifangaro tamin’ny hatsembohany. Voalazan’ny manam-pahaizana momba ny fitsaboana fa tena mitranga ny hoe hatsembohana misy ra, rehefa tena miady saina mafy ny olona. Ahoana izany? Mety hisy selan’ny ra na ra mihitsy tafaporitsaka any ivelan’ny lalan-dra na dia tsy vaky aza ny lalan-dra. Mety ho hatsembohana na ranoka mifangaro ra koa anefa no avoakan’ny mason-koditra. Soso-kevitra momba izay mety ho nanjo an’i Jesosy daholo anefa ireo.
Tsy misy an’io Lioka 22:43, 44 io ny Sora-tanana Vaticanus No. 1209, sy ny Sora-tanana Alexandrinus, sy ny Kôdeksa Sinaitika Syriàka, ary ny Sora-tanana Sinaiticus nasiana fanitsiana. Ahitana azy io kosa ao amin’ny Sora-tanana Sinaiticus tany am-boalohany, ny Kôdeksa Bezae, ny Vulgate latinina, ny Dikan-teny Syriàkan’i Cureton, ary ny Peshitta syriàka.