Ataovy Izay Handraisan’ny Ankizy Anjara Amin’ny Fianarana
VEHIVAVY, vita fanoloran-tena iray any Indiana, no mitantara izay nahatonga azy hanao fampianarana ny Baiboly tamin’ny vehivavy anankiroa, rahavaviny iray tam-po taminy: ‘‘Dimy ambin’ny folo taona eo ho eo izay, dia nisy vavolombelon’i Jehovah nanao fampianarana ny Baiboly tamin’ny vehivavy iray sy zanani-vavikely anankiroa. Nitohy nandritra ny herintaona sy tapany ny fianarana, ary avy eo dia nitsahatra kely. Noho ny fahafatesan’ny vadin’ilay vehivavy nianatra, ‘dia voatery nitady asa izy mba hamelomana ny ankohonany. Naka ny fotoany izany andraikitra vaovao izany, ka tsy nanam-paniriana ny hahazo fahalalana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra intsony izy. Dia nijanona tanteraka ny fianarana. Kanefa, noho ny voan’ny fahamarinana tafalentika mafy tao am-pon’ilay reny, dia tsy nandefa ireo zanany roa ireo tany am-piangonana izy. Indraindray, ireo zazavavy ireo dia mankany am-piangonana ihany miaraka amin’ny namany, ho mariky ny fisakaizana, kanefa dia tena nahasorisorena azy mihitsy ny toriteny atao any; taorian’ny fanambadian’izy ireo dia tsy nandeha tany am-piangonana niaraka tamin’ny vadiny mihitsy izy. Matetika dia mifampiresaka mikasika ny fahamarinana izy roa ireo; ary farany dia tapa-kevitra izy fa hianatra ny Baiboly miaraka amin’ny vavolombelon’i Jehovah. Na dia efa dimy ambin’ny folo taona aza izay no lasa, dia tsy mbola adinon’izy ireo foana ny anaran’ilay vehivavy izay niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny reniny; noraisiny ho adidy ny niantso azy tamin’ny telefaona. Tonga tamiko ny fiantsoana; dia natomboka ny fianarana; ary ankehitriny dia mitory tsy tapaka izy roa ireo; nankahery ny reniny izy ireo mba hanohy indray ny fianarana ny Baiboly, mba hahitana ny fiadanana sy ny fifaliana izay azon’izy roa ireo, ankehitriny.”