FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w65 1/10 p. 245-247
  • Ireo izay manaraka ny fandriam-pahalemana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ireo izay manaraka ny fandriam-pahalemana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • Mitovitovy Aminy
  • Tena Fiadanana — Avy Aiza no Loharanony?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Tontolo Iray Tsy Hisian’ny Ady — Tsy ho Ela Intsony!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Tadiavo ny Tena Fiadanana ka Araho!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Aoka “ny fiadanan’Andriamanitra” hiaro ny fonareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
w65 1/10 p. 245-247

Ireo izay manaraka ny fandriam-pahalemana

RAHA TAHINY misento ny fontsika mahita ny faharavan-javatra eto ambonin’ny tany aorian’ny ady, dia mihatra aminao tokoa ity teny voasoratra ara-tsindrimandry ao amin’ny Baiboly ity, hoe: “Aoka izy hitady ny fiadanana sy hanaraka azy.” (I Petera 3:11, MN). Tsy vitan’ny hoe hitady fiadanana amin’ny mpiara-belona amin’ny tena fotsiny anefa, fa alohan’ny zavatra rehetra dia hitady fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny fombam-piainana mifanaraka amin’ny Teniny. Ho hitantsika amin’ny fanaovana izany fa azo atao tsara ny miaina amim-piadanana miaraka amin’ny namantsika, sy hifanila toerana amin’ireo izay honina ao amin’ny filaminan-javatra vaovao feno fiadanana hataon’Andriamanitra ary efa antomotra tokoa ankehitriny.

Noho izany, ireo sakaizan’ny fiadanana dia hiravoravo tokoa amin’ny famakiana izay voalazan’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, ny amin’izay zavatra tsy maintsy hitranga amin’izao androntsika izao: “Ary hitsara ny adin’ny firenena maro Izy [Jehovah] ka hampiaiky ny firenena mahery hatrany amin’ny lavitra; dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka, ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.” — Mika 4:3, AC.

Hita arak’izany fa ny mpitondra fivavahana no tokony hanaraka voalohany indrindra ny baikon’Andriamanitra voarakitra ao amin’io andinin-teny io, kanefa ny zava-miseho dia manaporofo fa imbetsaka mihitsy ireo mpitondra fivavahana ireo, no nankasitraka sy nanome tso-drano ny famonoana tsy misy fotony ny ain’olona tsy tambo isaina. Ny fanohanan’ireo klerjy katolika sy loteriana an’i Hitler dia zavatra niaraha-nahalala loatra, ary hatramin’izay dia nipetraka tao amin’ny tantaran’ny androntsika. Sahala amin’izany koa ny fanohanana nataon’i Vatican an’i Mussolini fasista, ary ireo mpikambana ao amin’ny mpitondra fivavahana protestanta teto amin’izao tontolo izao, dia tsy nangina mihitsy tamin’ny fanandratam-bavaka mba hananan’ny tany, izay nitoeran’izy ireo avy, fandresena.

Ireo filohan’ny fivavahana “tsy kristiany” koa dia nampiseho firehetam-po izai-tsizy tamin’izany toe-javatra voalaza izany. Tao amin’ny firenena maro, toa an’i Japana ohatra, ireo antoko sintoista sy ny ankamaroan’ireo antoko bodista, dia tena nandray anjara lehibe dia lehibe tokoa, satria nampinoany ny olona fa ny famonoan’ain’olona tsy tambo isaina ao amin’ny firenena hafa, dia nasain’ireo andriamanitra marobe natao, ary ny maty ho an’ny emperora no voninahitra lehibe sy ambony indrindra. Tsy tokony hahagaga na kely akory aza raha tahiny mihozongozona ny fitokiana napetraky ny vahoaka, dia ireo vahoakan’ny firenena “kristiana anarana” sy “jentilisa” tamin’ireo filoham-pivavahany izay mivavaka ho an’ny fandriam-pahalemana amin’ny ilany ary mitso-drano ny ady amin’ny ilany hafa.

Moramora mihitsy arak’izany ny ahafantarana ny antony ampisehoan’ny bokin’ ny Baiboly, ny Fanambarana na Apokalypsy, ny fitambaran’ireo fivavahan-diso rehetra ireo amin’ny fanoharana azy amin’ ny vehivavy iray mamon-dra, izay antsoiny hoe: “Babylona Lehibe, Renin’ny mpijangajanga sy ny zava-betaveta amin’ny tany’’, sy iampangany azy fa tompon’andraikitry ny fandatsahana ny “ran’ireo rehetra novonoina teto ambonin’ny tany”. — Fanambarana 17:5, 6; 18:24.

Na dia efa nandiso fanantenana olona marobe tokoa aza ny tsy fahombiazan’ireo mpitondra fivavahana ireo, dia mbola misy ihany kosa ny tena kristiana izay tsy mba nibaby trosa tamin’izany fandatsahan-dra izany; mitandrina ny didin’Andriamanitra izy ireo ary manaraka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, sy mampifanaraka ny fiainany amin’ny didin’Andriamanitra mampanefy “ny sabatr’izy ireo ho fangady”. Toy izao manaraka izao no filazan’ny South African Voice ny momba izany, tamin’ny 5 avrily 1964: “Ny fanapahan-kevitra nataon’ireo Fiangonan’i Afrika Atsimo momba ny fanaovana ny raharaha miaramila (...) dia nisy fiovana, satria tsy nisy afa-tsy antokom-pivavahana iray monja, araka ny marina, no tsy nilefitra tamin’ny “fikomiany” [taminy] (...). Tamin’ny fanadihadiana mangotraka nataon’ny Die STEM, dia hita fa ny vavolombelon’i Jehovah irery no nanda tsy nety nanao ny fanazaran-tena miaramila na ny raharaha ara-dalana mikasika izany (...). Tsy nilefitra mihitsy izy ireo tamin’ izany toetrany tsy mankasitraka ny zavatra tsy tiany izany mbamin’ny ady.”

Araka ny marina, ny vavolombelon’i Jehovah dia tsy nanao “fikomiana” tamin’ny asan’ny fanjakana na iza na iza, fa mitandrina fotsiny ny tsy fiforanana amin’ny atsy na amin’ny aroa izy, amin’ny raharaha politika sy ara-tafik’izao tontolo izao, noho izy ireo mankatò ny didy voasoratra ao amin’ny Soratra Masina “mampitady ny fiadanana sy hanarahana izany”. Tsy mba isan’ny mpitady fiadanana, na amin’ny fomba inona na amin’ny fomba inona, ataon’ny samy Fanjakana eto an-tany akory izy ireo. Tsy mitsipaka mihitsy ny fandaharana, na iray aza, ataon’ny fanjakana momba ny fangalana miaramila izy ireo, ary tsy mandray anjara amin’ny fihetsiketsehana samihafa mba hampisehoan’izy ireo ny tsy fitiavany izany fandaharana izany, fa ny fandaharana nataon’Andriamanitra no arahin’izy ireo. Toy izao no anambaran’ny Baiboly an’izy ireo: “Fa na dia velona amin’ny nofo aza izahay dia tsy mba miady araka ny nofo. Satria tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay.” — II Korintiana 10:3-5.

Ny gazety mitondra ny lohateny hoe Evening Journal (Wilmington Delaware) tamin’ny 5 marsa 1964, dia nilaza tamim- pahatsorana izao manaraka izao, raha nanao fanazavana izany toetry ny vavolombelon’i Jehovah izany, noho ny nanamelohana an-tranomaizina mandritra ny dimy taona ilay tovolahy mpikambana ao amin’io antoko io, ao Etazonia: “Marina tokoa fa io antoko io dia tsy manohitra ny fitondrana na inona na inona ataon’ny fanjakana federaly; manantena fotsiny izy fa hoenjehina noho ny finoany, kanefa inona moa no tombon-tsoa azon’ireo mpikambana hafan’ny fanjakana federaly amin’ny fampidirana an-tranomaizina mandritra ny dimy taona ny olona iray noho ny toetra manokana ananan’ny finoany?

“Io toe-javatra io dia mamely mihitsy ny lalam-panorenantsika sy ny fahalalahan’ny isam-batan’olona ary ny fahalalahana ara- pivavahana izay tadiaviny. Tena raharaha roa loha manahirana mihitsy ny fieritreretantsika io toe-javatra io: voalohany, dia noho ny fahamarinana tanteraka sy ny fiainana modelin’ny tanora toa an’Atoa Silvernail; manarak’izany dia noho ny fiheverana ankapobe fa izao tontolo izao dia tsy hisy ho velona raha misy ady mipoaka (...) Zava-dehibe mihitsy ny hahafantarana fa betsaka ny olona manana finoana lalina izay tsy mamela azy ireny, araka ny feon’ny fieritreretany manontolo, handray anjara, na amin’ny fomba inona na amin’ny fomba inona, amin’ny politikan’ady sy fiomanana ho amin’ny ady.” Ny didy voalaza ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, mandidy azy ireny hanaraka ny fiadanana na fandriam-pahalemana no tandreman’izy ireny fatratra.

Io fanarahan’izy ireny ny fiadanana io dia tsy vitan’ny hoe tsy mandray anjara mihitsy amin’ny ady izay ifanaovan’ny firenen’ity izao tontolo izao ity. Ny fanarahany ny toro-hevitra tsara omen’ny Tenin’Andriamanitra dia hahafahany mandositra ny fisainan-dison’ny olona, dia fisainan-diso izay mety ho loharanon-donjony tsy mety ritra sy miteraka fisainana tia fitokana-monina. Ny fanarahany ny toro-hevitra tsara omen’ny Tenin’Andriamanitra dia hahafahany mikarakara ny fahasahiranana mitranga eo amin’ny tokantranon’ny tsirairay ka amin’izany, dia vao mainka koa mafy fatotra ny fatora-pihavanany. Noho izy ireo nanavao indray ny hery mampihetsika ny fieritreretany, dia tsy mba voatarika ao amin’ny adin’ny fanavakavaham-bolo-koditra sy ny fifanjihirana amin’ny raharahan’ ity izao tontolo izao ity, izy. Ny firaisana no manjaka amin’izy ireo eto amin’izao tontolo izao, satria tsy mba manao fanavakavahana izy amin’ny volo-koditra na fiaviana. Noho ny maha-vahoaka mitambatra ho iray azy ireo arak’izany no hitondrany ny filazantsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra ho an’ny olona rehetra eto ambonin’ny tany, dia ny Fanjakan’Andriamanitra izay ho entin’i Jehovah “hampitsahatra ny ady hatramin’ny faran’ny tany”. — Salamo 46:9; Efesiana 4:20-24.

Azon’ny tsirairay atao arak’izany ny mioty amin’io fiadanana io. Izany no anjaran’ireo izay manaraka ny didin’Andrisamanitra “manome ny fiadanana”, ka mitandrina izany (Romana 16:20). Azon’ny olona tsirairay atao tokoa izany, amin’ny fianarany ny Tenin’Andriamanitra sy amin’ny fitambarany amin’ireo izay nahatsapa fa sakaizan’ny fiadanana na ny fandriam-pahalemana izy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara