Ny fon’olombelona — faritra iray amin’ny tena mahagaga
“HIDERA Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana Ahy; mahagaga ny asanao; ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.” (Salamo 139:14). Ireo teny ireo izay nanehoan’i Davida mpanao salamo ny fankasitrahana lalina nanetsika azy dia rariny raha hanohina antsika mafy satria marina fa namorona antsika tamin’ny fomba mahagaga sy mahatalanjona aoka izany ny Mpamorona.
Araka izany, ny amin’ny ra, “onin’aina” izay mikoriana ao amin’ny lalandrantsika mankao amin’ny fo sy mivoaka avy ao, dia izao no nolazain’i Alexis Carrel, nahazo ny loka Nobel momba ny fitsaboana, tao amin’ilay bokiny hoe L’homme, cet inconnu: “Mitondra ho an’ny ‘cellule’ tsirairay avy ny sakafo ilainy izy. Izy io koa no miasa toy ny tatatra mpanangona ireo potipoti-javatra avy amin’ny fiainan’ny tena. Misy ao aminy koa ny zavatra ‘chimique’ sy ‘cellules’ afaka manao fanorenana indray ao amin’ny faritra amin’ny tena ilàna izany. Amin’izany fanaovan-javatra hafahafa izany, dia toy ny riaka izy, izay amin’ny alalan’ny fotaka sy ny vatan-kazo entiny, dia hanomboka hanamboatra ireo trano eo amorony.” (Pejy faha-121, Plon). Tsapanao ve izany: ny sakafo sy ny fakofako amin’ny tena dia entin’ny ranon-javatra iray ihany, nefa dia tsy mifangaro! Inona anefa no mampikoriana an’io onin’aina mahatalanjona io? Ny fontsika.
Tena fisehoan’ny fahendren’Andriamanitra tokoa ny fon’olombelona. Io faritra nofo poakaty io dia mitovitovy habe amin’ny totohondry. Eo amin’ny lehilahy izy io dia milanja ho 300 grama eo ho eo ary eo amin’ny vehivavy, 250 monja. Mizara ho lavaka efatra izy io: roa eo ankavanana ary roa eo ankavia. Ny tapany ambony na “oreillette” havanana dia mandray ny ra avy amin’ny fiasana fikorianana lehibe. Rehefa feno izany, dia alefany ho ao amin’ny lavaka ambany na “ventricule” izay mandefa azy mankany amin’ny avokavoka. Misy fanentsenana maromaro misakana ny ra tsy hiverina amin’ny asa. Rehefa tonga ao amin’ny avokavoka ny ra dia voadio amin’ny “dioxyde de carbone” voangony ka mandray miaraka amin’izany koa ny “oxygène” ilain’ny tena aoka izany. Avy ao izy dia miakatra indray ho any amin’ny “oreillete” havia izay manosika azy indray kosa ho ao amin’ny “ventricule” mifanitsy aminy. Io no handefa azy indray hanaraka ny fiasana fikorianana lehibe hahafahany hitondra sakafo ho an’ny “cellules” rehetra amin’ny tena sy hanaisotra aminy ny lotony maro.
Noho izany, raha ny marina dia azo atao ny manavaka paompy roa sy fikorianana roa. Ny “oreillette” sy ny “ventricule” havanana izay kely kokoa noho ireo hafa, dia natokana ho amin’ny fikorianana mankany amin’ny avokavoka, fa ireo eo amin’ny ankavia kosa, lehibe kokoa sy mahery kokoa, dia manosika ny ra ho any amin’ny fitambaran’ny tena mamakivaky lalandra 97 000 kilaometatra: “artères”, “veines” sy “capillaires”.
Amin’ny nofo rehetra amin’ny tenan’olombelona, dia ny “myocarde” na nofo amin’ny fo no manana rafitra be kojakojany indrindra. Rehefa mihazakazaka faran’izay mafy ny olona iray, dia miasa avo roa heny noho ny nofo hafa rehetra. Tsy ela anefa ireo nofo ireo dia vizana fa ny “myocarde” kosa dia miasa tsy mety sasatra manomboka eo am-pahaterahana ka mandra-pahafaty. Aoka holazaintsika mazava anefa fa mahazo fialan-tsasatra fohy izy isaky ny avy mikainkona. Mitepo eo amin’ny in-150 isa-minitra ny fo eo am-pahaterahana; rehefa tonga olon-dehibe dia mijanona amin’ny ara-keviny ho 72 isa-minitra izanya. Ao anatin’ny fiainana iray misy 70 taona dia mikainkona eo amin’ny in-4 lavitra (4 000 tapitrisa) ny fo iray. Ary ao anatin’izany vanim-potoana izany izy dia manosika ra eo amin’ny 174 tapitrisa litatra. Mety hiasa avy roa heny ny fontsika rehefa manao fampiasan-tena mafy isika. Mbola mihafaingana kokoa ihany ny fitepony rehefa taitra isika na matahotra na tezitra, ka miomana amin’izany ho amin’ny ady na ny mety ho fandosirana.
Ny mahagaga amin’ny fon’olombelona koa dia izy mamoaka hery avy amin’ny tenany ihany. Ny fivonkinan’ny vavony izay manomana ny sakafo ho amin’ny fandevonana azy sy ny asan’ny tsinay manaraka fipaika izay mitarika ny fakofako hivoaka amin’ny farany, dia baikoin’ny fitambaran-kozatra mamelona. Ny fo kosa anefa dia manana loharanon-kery avy ao anatiny ihany. Izany dia ny foibe mampihetsika azy, ny “nœud sinusal”. Tsy nekena foana izany fahamarinana izany. Izany anefa no mahatonga ny fon’ny zaza torontoronina hanomboka hitepo alohan’ny hahazoana hozatra. Ambonin’izany, dia voamarina fa manohy miasa ny fo rehefa tafasaraka amin’ny sisa amin’ny tena, indrindra fa raha mbola misy ra ao aminy.
Tsy isalasalana mihitsy fa io faritra amin’ny tena iankinan’ny aina io izay miasa mafy aoka izany dia mendrika ny hatao tsara fitondra. Zava-dehibe ny hanomezana azy sakafo tsara, fialan-tsasatra sy ny hampanaovana azy ny fampiasan-tena ilainy mba hampahatanjaka azy hatrany. Etsy andaniny koa, dia tena ilaina ny hialana tanteraka amin’ny fampiasana paraky na sigara. Farany, dia mety ny tsy hanararaotana ny zavatra tsara eo amin’ny fiainana afa-tsy amim-pahaiza-mandanjalanja sy amim-pahalalana onony.
Koa satria faritra lehibe toy izany ny fo, dia tsy mahagaga mihitsy raha tononina matetika ao amin’ny Baiboly izy io. Araka ny ho hitantsika anefa, io boky io dia miresaka azy bebe kokoa amin’ny heviny ara-panoharana noho ny amin’ny heviny ara-bakiteny.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Toa mihatra amin’ny manana aina mampinono rehetra tokoa izao fitsipika manaraka izao: arakaraka ny maha-kely ny tena no mampitepotepo haingana ny fo. Araka izany, ny fon’ny “musaraigne” (biby mitovy habe amin’ny totohozy) dia mikainkona in-1000 isa-minitra, fa ny an’ny biby lehibe sasany toy ny trozona kosa dia tsy mitepo afa-tsy eo amin’ny in-15 isa-minitra eo ho eo.