Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Nihena i Jaona, nitombo i Jesosy
TAORIAN’NY Paska tamin’ny lohataonan’ny taona 30, dia nandao an’i Jerosalema i Jesosy sy ireo mpianany. Tsy niverina tany aminy, tany Galilia, anefa izy ireo, fa nankany amin’ny faritr’i Jodia izay hanaovany batisa. Efa ho herintaona izao no nanaovan’i Jaona izany asa izany koa ary niaraka taminy foana ireo mpianany.
Raha ny marina, dia tsy ny tenan’i Jesosy mihitsy akory no nanao batisa, fa ireo mpianany, ary izany dia teo ambany fitarihany. Ny batisa nataony dia nitovy heviny tamin’ny an’i Jaona. Ho an’ny Jiosy nanaiky azy, izany dia mariky ny fibebahan’izy ireo tamin’ny fahotana nataony tamin’ny faneken’ny Lalàn’Andriamanitra. Aorian’ny hitsanganany amin’ny maty anefa i Jesosy dia hampianatra ny mpianany hanao batisa iray izay hifono heviny hafa. Ny batisa kristiana tokoa dia famantarana fa manolo-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra mba hanompo azy ny olona iray.
Eo am-piandohan’ny fanompoan’i Kristy isika. Na dia samy nanao ny asany avy aza i Jaona sy i Jesosy, dia samy nampianatra sy nanao batisa ireo izay nibebaka izy ireo. Tamin’izay ny mpianatr’i Jaona no nanjary nialona sy nitaraina ny amin’i Jesosy tamin’i Jaona: “Raby ô, (...) indro, manao batisa Izy, ary ny olona rehetra manatona Azy.”
Tsy nahatsiaro fialonana i Jaona fa nifaly noho ny fitiavan’ny vahoaka an’i Jesosy ary tiany mba hifaly koa ireo mpianany. Nampahatsiaro azy ireo izao izy: “Hianareo no vavolombeloko fa hoy izaho: Tsy izaho no Kristy, fa nirahiny hialoha Azy aho.” Avy eo, dia nanohy ny teniny tamin’izao fanoharana mahafinaritra izao izy: “Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan’ny mpampakatra, izay mitsangana mihaino azy, dia mifaly indrindra noho ny feon’ny mpampakatra; ary efa tanteraka izany fifaliako izany.”
Jaona izay sakaizan’ny Mpampakatra, dia nifaly tokony ho enimbolana talohan’izay rehefa nanolotra ireo mpianany an’i Jesosy. Ny sasany tamin’izy ireny dia tonga mpikambana ho avy ao amin’ny kilasin’ny ampakarina any an-danitra, dia kilasy ho voaforon’ny kristiana voahosotry ny fanahy. Nirin’i Jaona ho tonga mpianatr’i Jesosy koa ireo mpianany. Tsaroany tokoa ny anjara asany dia ny namoha ny lalana mba hisian’ny vokatra tsara amin’ny fanompoan’i Jesosy. Izao no nohazavain’i Jaona: “Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.”
Fotoana fohy taorian’izany fisehoan-javatra izany, dia nampisambotra an’i Jaona i Heroda mpanjaka. Naka ny vadin’i Filipo rahalahiny i Heroda. Noho i Jaona nanala sarona ampahibemaso ny nataony, dia nasain’i Heroda nampidirina an-tranomaizina izy. Rehefa nandre ny nisamborana an’i Jaona i Jesosy dia nandao an’i Jodia niaraka tamin’ireo mpianany ka niainga ho any Galilia. Jaona 3:22 ka hatramin’ny 4:3; Asan’ny apostoly 19:4; Matio 28:19; II Korintiana 11:2; Marka 1:14; 6:17-20.
◆ Mampiseho inona moa ny batisa natao teo ambany fitarihan’i Jesosy talohan’ny nananganana azy tamin’ny maty? Ary taorian’izany?
◆ Ahoana no nampisehoan’i Jaona fa tsy nisy antony tokony hampanahy an’ireo mpianany?
◆ Nahoana i Jaona no nampidirina an-tranomaizina?