FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 15/11 p. 27
  • Nanaraka ny “fitsipika volamena” izy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nanaraka ny “fitsipika volamena” izy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 15/11 p. 27

Nanaraka ny “fitsipika volamena” izy

Izao no nolazain’i Jesosy tamin’ny Toriteniny nalaza teo an-tendrombohitra: “Koa amin’izany na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany.” (Matio 7:12). Rehefa ampiharina io fitsipika io, dia mahatonga olona be dia be ho sambatra ny tena. Porofon’izany ny taratasy manaraka nalefa tany amin’ny biraon’ny Fikambanana Watchtower.

“Tsy ela izay dia nanary taratasy tena lehibe navelako noho ny tsy fitandremana teo amin’ny tafon’ny fiarakodiako tamin’ny fotoana hiaingana aho (...). Raha tsy hitako indray ny valopy lehibe nasiako azy, dia tsy maintsy ho nandefa telefaonina imbetsaka aho sy nanoratra taratasy maro, ka izany dia ho nampanary ahy fotoana be dia be. Rehefa tonga tany an-tranoko anefa aho, dia efa nisy ramatoa kely nahafinaritra sy miramirana teo anoloan’ny varavarako, nitana teny an-tanana ireo taratasy resahina.

“Hitan-dRamatoa T... nianjera avy teo amin’ny fiarakodiako sy niparitaka teo ampovoan’ny arabe ireo taratasy. Raha vao namela azy hanao izany ny fifamoivoizana, dia nangoniny izany ka nalaminy. Minoa ahy, velom-pankasitrahana azy tokoa aho noho ny fandraisany anjara tamim-pahamoram-panahy sy haingana izay nandamina ny zava-nanahirana ahy. Koa rehefa afaka iray na roa andro taty aoriana, dia nandefa taratasy fisaorana azy aho niaraka tamin’ny sheky dimampolo dôlara. Naveriny tamiko anefa ny valisoa noho ny fiheverana fa tsy nanao afa-tsy ny adidiny kristiana izy. Vavolombelon’i Jehovah izy io. Iriko ny hampiasanareo ny sheky miaraka amin’ity, dimampolo dôlara, ho amin’ny asa mahasoa amin’ny anarany.”

Amim-pitiavana tokoa,

W. G.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara