FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 1/4 p. 3-4
  • Ireo mpitaingin-tsoavaly mahagagan’ny Apokalypsy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ireo mpitaingin-tsoavaly mahagagan’ny Apokalypsy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Mitovitovy Aminy
  • Nohazavaina ny zava-miafin’ireo mpitaingin-tsoavaly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Ireo mpitaingin-tsoavalin’ny Apokalypsy: mahakasika anao ny fihazakazahany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Iza Ireo Mpitaingin-tsoavaly Efatra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
  • Misy Vokany eo Amin’ny Fiainanao ve Ireo Mpitaingin-tsoavaly Efatra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 1/4 p. 3-4

Ireo mpitaingin-tsoavaly mahagagan’ny Apokalypsy

GAGA ianao mandinika ity soavaly, vombo sy rambo misavoana, ireo vavorona mivoaka entona, izay midina amin’ny kisolosolo be vato migodongodona. Ilay mpitaingina azy, tovolahy matanjaka, dia toa voafantsika eo amboniny, toa iray ihany amin’ny an’ilay biby miefonefona am-perin’asa ny tenany.

Na any amin’ny toeram-piompiana amin’ny saha aostraliana midadasika na, any an-toeran-kafa amin’izao tontolo izao, any amin’ny tany lemaka misy toeram-piompiana amerikana, dia tsy afaka ny tsy ho talanjona ny tena amin’ny fahitana mpitaingin-tsoavaly iray mahalala tsara ny bibiny. Sondriana ery koa ny tena mahita andian-tsoavaly sy mpitaingina tsara ofana.

Raha mampitampim-bava ny soavaly sy ny mpitaingina toy izany, izay hitan’ny mpanoratra ny bokin’ny Fanambarana (Apokalypsy) dia mbola hanan-javatra hahavariana kokoa. Eny tokoa, fa sady mahagaga izy ireo no mahatahotra. Ireo mpitaingin-tsoavaly tokoa dia tonga nalaza tamin’ny anarana hoe mpitaingin-tsoavaly efatry ny Apokalypsy.

Alao sary an-tsaina ny tarehin-javatra: mpitaingin-tsoavaly efatra mahay tsara avy manatona anao; ny iray aminy aza dia manainga sabatra mihitsy! Raha dinihinao tsara ireo soavaly, dia ho voamarikao fa samy hafa loko izy ireo. Ny iray dia fotsy, ny iray mena, ny iray mainty, ary ny farany hatsatra. Mahaforona sary hafahafa tokoa sy mahagaga tokoa izy ireo.

Ny mpanoratra baiboly, ny apostoly Jaona, dia mitantara amin’ny fomba velombelona izay hitany. Toy izao no fitantarany: “Ary hitako fa, indro, nisy soavaly fotsy; ary izay nitaingina azy dia nanana tsipika; ary nomena satroboninahitra izy, dia nivoaka izy ka naharesy sady mbola haharesy (...). Dia nisy soavaly hafa mena kosa nivoaka; ary izay nitaingina azy dia navela hanaisotra ny fihavanana amin’ny tany mba hifamonoan’ny olona, ary nomena sabatra lehibe izy (...). Ary hitako fa, indro, nisy soavaly mainty: ary izay nitaingina azy nitondra mizana teny an-tanany. Ary nahare aho, (...) nanao hoe: [Karama indray andro] ny vary tritika iray litatra, ary [karama indray andro] koa ny vary hordea telo litatra; (...). Ary hitako fa indro nisy soavaly hatsatra, ary ny anaran’izay nitaingina azy atao hoe Fahafatesana, ary ny Hadesy nanaraka azy. Ary nomena fahefana tamin’ny ampahefatry ny tany ireo hamono ny olona amin’ny sabatra sy ny mosary sy ny fahafatesana sy ny bibidia etỳ an-tany.” — Apokalypsy 6:2-8, An American Translation.

Hatramin’ny nanoratana azy io fahitana io, dia nahavery hevitra mpamaky maro be. Inona no asehon’ireo soavaly mahagaga ireo sy ireo mpitaingina azy? Oviana no nanomboka ny fihazakazahany. Misy akony eo amin’ny fiainantsika ankehitriny ve izany fihazakazahana izany? Fanazavana maro no naroso mba hamaritana ny hevitr’ireto soavaly sy ireto mpitaingina azy sy ny fe-potoana hanombohan’ny fihazakazahany.

Misy fanazavan-teny maro be samy hafa ny amin’ny soavaly fotsy sy ny mpitaingina azy. Ohatra, ny Nouvelle encyclopédie catholique (anglisy) dia manazava fa ny soavaly fotsy dia mampiseho ‘na ny fandresen’ny Filazantsara, na ny fandresen’ny imperialisma’.

Ao amin’ny bokiny hoe Daniela sy ny Apokalypsy (anglisy), Uriah Smith dia manolotra izao famoaboasan-kevitra izao: “Ny soavaly fotsy (...) dia sary mifanentana amin’ny fandresen’ny Filazantsara tamin’ny taonjato voalohany (...). Ny maha-fotsy ny soavaly dia maneho ny fahadiovan’ny finoana tamin’izany fotoana izany.”

Etsy andaniny kosa, ny Expositor’s Bible dia manambara toy izao: “Izay tena natao miavaka amin’ny endrik’ilay mpitaingin-tsoavaly voalohany, dia ny raharaha ny amin’i Jesosy fa tsy ny maha-izy azy, teo amin’ny tapany voalohany tamin’ny fihazakazahany tamim-pandresena, ary mamela hahita mialoha ny fandresena ho avy (...). Tsoahina avy amin’izany fa io raharaha io dia eo amin’izao tontolo izao, fa eo afovoantsika io fanjakana io ka izay rehetra manohitra azy dia hahita faharesena lehibe.” Ho an’i Woodrow Kroll kosa, izay mpikambana ao amin’ny Fikambanan’ny jiosy kristiana, dia mihevitra izy fa ny mpitaingina ilay soavaly fotsy dia ny antikristy.

Araka ny filazan’ny sasany indray, dia toa nisy mpitaingina sy soavaly dimy, fa tsy efatra monja. Amin’ireo filazana heviny rehetra ireo, ahoana no hamantarana ny marina? Ahoana no hahazoana antoka fa tena misy tokoa ny filazana heviny marina iray? Iza àry ireo mpitaingin-tsoavaly mahagagan’ny Apokalypsy, ary oviana no nanomboka ny fihazakazahany?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara