FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 15/9 p. 32
  • ‘Izany no notadiaviko’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Izany no notadiaviko’
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 15/9 p. 32

‘Izany no notadiaviko’

Zavatra kely foana dia mety hanova ny fandehan’ny fiainana iray. Manazava izany izay hita tamin’ny zazavavy Argentine iray izay nanoratra toy izao tany amin’ny foibe maneran-tanin’ny Fikambanana Watch Tower, any Brooklyn (New York):

“Ry mpampanonta malala,

“Ho azonareo atao ve ny hilaza haingana amiko ny fomba mety hahazoako ny gazetinareo Ny Tilikambo Fiambenana? Nampindrana nomerao iray ahy ny mpifanila trano amiko ka hitako tao amin’ireo pejiny izay notadiaviko hatramin’ny ela be. Nahasoa ahy tokoa izany! Nampahery mafy ahy izany. 15 taona aho ary irery eto amin’izao tontolo izao, tsy misy olona miahy ny amiko. Nameno fanantenana ahy anefa ny gazetinareo. Nalain’ilay mpifanila trano tamiko indray ilay azy satria ny reniny maty vao haingana no namela izany ho azy.”

Namarana ny teniny io zazavavy io tamin’ny filazana fa na dia kely tokoa aza ny fananany dia hanao izay rehetra azony atao izy mba handoavana ny vidin’ireo gazety. Nampitaina tany Argentine ny taratasiny ka nisy solontenan’ny Fikambanana Watch Tower lasa nitsidika azy tsy nisy hataka andro. Nanao famandrihana tamin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! izy ka nandroso haingana tamin’ny fahalalana ny Baiboly. Vita batisa izy izao ary mandray anjara amin’ny fanompoana kristiana eo anilan’ireo anadahiny sy rahavaviny “argentins” an’arivony maro.

Ny tenanao koa dia afaka mandray Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Réveillez-vous! ao an-tranonao, amin’ny alalan’ny paositra. Ampy amin’izany ny hamenoanao sy handefasanao ny tapakila famaliana eto akaiky.

Aza fady mba anaovy famandrihana herintaona amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Réveillez-vous! aho. Ampiarahiko amin’ity ny vola 13 400 FMG (fiaramanidina).

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara