Arkeology iray nankamamy ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly
“IREO antony farany mamela hisalasala ny amin’ny fahamarinan’ny soratra izay tonga hatraty amintsika dia voaisotra ankehitriny.” Ireo tenin’i Sir Frederic Kenyon ireo, nalaina avy ao amin’ny bokiny hoe Ny Baiboly sy ny arkeolojia (anglisy, 1940, p. 289), dia tononina ao amin’ilay boky fianarana Baiboly hoe Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany (navoakan’ny fikambanana Watch Tower, pejy faha-53). Tonga tamin’izany fanatsoahan-kevitra izany i Kenyon noho ny fahitana vao haingana soratanana tamin’ny “papyrus” nisy saika hatrany amin’ny fotoana nanaovana ireo soratra voalohany, ka izany dia nahatonga azy hilaza fa “kely dia kely” ny elanelany. Ireny “papyrus” ireny dia tsy nahitana teny tsy mitovy lehibe mihitsy raha oharina amin’ireo soratanana vao haingana kokoa. Izany dia nanamafy “ny maha-marina sy tsy nanombinana amin’ny ankapobeny” ireo soratra vao haingana kokoa izay avy aminy no nandikana ny Baiboly.
Hahaliana antsika ny hamaky izay nosoratan’ny Vavolombelon’i Jehovah iray momba an’io arkeology malaza io: “Nanana bokin’ny fikambanana maromaro i Sir Frederic Kenyon, satria tao anatin’ny taona maro aho dia nanana tombontsoa nanome azy boky isan-karazany sy nifanoratra taminy. Nifankahalala taminy aho teo am-piandohan’ny 1936. (...) Anankiray tamin’ireo bokiny no nanazava ahy tamin’izany fotoana izany ny amin’ny niandohan’ny Baiboly. Nanoratra taminy aho mba hampahafantatra azy izany ary taty aoriana dia voaraiko ilay bokiny hoe Ny tantaran’ny Baiboly (anglisy) narahin’ny fanolorana hoe: ‘Amim-pihavanana, avy amin’ny mpanoratra, F. Kenyon, 1 mai 1937.’
“Rehefa voarainy ilay boky hoe ‘Ny fahamarinana no hanafaka anao’, navoakan’ny fikambanantsika, dia namaly ahy tamin’izao teny vitsivitsy izao izy: ‘Mitovy ny zava-kendrentsika: mitaona ny olona hamaky ny Baiboly sy hino izay lazainy; mahakasika vahoaka betsaka kokoa anefa ianareo. Ireo bokiko dia natao indrindra ho an’ny olona very hevitra noho ny fomba ampisehoana aminy ny vokatry ny fanakianana sy ny fahitan-javatra amin’ny andro ankehitriny, fa ny bokinareo kosa miresaka amin’ny karaza-mpamaky rehetra. Mirary fahombiazana lehibe ho an’ny asanareo aho.’
“Nanoratra ho ahy ny amin’ny bokin’ny fikambanantsika roa hafa izy ka nanisy fitenenana indray ny amin’ny zava-kendrena iombonantsika, ‘mamporisika ny olona hamaky ny Baiboly, ary hamaky azy amim-pahiratan-tsaina’. Hoy ny teny nanampiny: ‘Faly aho mahafantatra fa miely aoka izany ireo bokinareo, ary izany dia any amin’ny tany maro.’ (...)
“Tamin’ny 1948 i Sir Frederic dia namoaka Ny Baiboly sy ny siansa amin’ny andro ankehitriny (anglisy) ho valin’ny bokin’i Barnes, evekan’i Birmingham, izay nilaza fa ‘vakodrazana’ ny tapany sasany ao amin’ny Baiboly, indrindra fa ireo andinin-teny sasany momba ny fanavotana amin’ny alalan’i Kristy Jesosy. Izao no nambaran’i Frederic Kenyon tao amin’ny fampidiran-dresany: ‘Nampiaiky ahy ny amin’izany ny fandinihana amin’ny antsipiriany ny bokin’ilay eveka, tsy nampiseho ireo vokatry ny siansa ankehitriny farany izy. Noraisiny kosa ny hevitry ny fanakianana sasany nahita fahombiazana kely, fitopolo taona teo ho eo izao, ary saika tsy noheveriny mihitsy ireo fahitan-javatra tao anatin’izao dimampolo taona farany izao.’ Momba ny boky nosoratan’ny tenany, dia nilaza mazava toy izao i Kenyon: ‘Heveriko fa tonga ny fotoana (...) hampiverenana amin’ny laoniny ny fitokisana ny Baiboly sy ny fampisehoana fa izy io dia mpitari-dalana ho amin’ny fahamarinana sy fanorenana amin’ny fitondrana ny fiainantsika. (...) Manantena fotsiny aho fa [ity boky ity] dia hitondra fanampiana ho an’ireo izay mahita ny kristianisma ho ny hany fanantenana ho an’izao tontolo izao diso lalana misy antsika sy ny Baiboly ho fanorenana azo antoka amin’ny zavatra inoana kristiana.’
“Io mpandinika Baiboly fanta-daza maneran-tany io, izay nanoratra zavatra mahafinaritra aoka izany ny amin’ny asa sy ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia lehilahy nanetry tena sy nanana hatsaram-po tokoa. (...) Tamin’ny 1889, taorian’ny fianarana tsara tao amin’ny oniversiten’i Oxford, dia niditra tao amin’ny British Museum izy, tao amin’ny Sampan-draharaha momba ny soratanana. Taty aoriana izy dia tonga mpitahiry mpanampy tao amin’io sampan-draharaha io ihany ary, tamin’ny 1909, mpitantan-draharaha sy mpitahiry filoha tao amin’ny British Museum. Tao anatin’ny tapany voalohany tamin’ny raharahany naharitra, dia nikarakara indrindra ny soratanana momba ny Baiboly sy ny fahitan-javatra momba ny “papyrus” izy; taty aoriana izy dia nanana andraikitra nitarika fizahan-tany araka ny arkeolojia tany Cachemire sy tany Ur. Rehefa nisotro ronono izy, dia nandray anjara tamin’ny fahazoana ny Codex Sinaïticus sy ny famoahana “papyrus” amin’ny zavatra voangona Chester Beatty, izay nandray anjara tamin’ny fanamarinana ny Soratra grika.
“Ho famaranana, dia azo atao ny manonona andalan-tsoratra vitsivitsy amin’ny bokiny hoe Ny tantaran’ny Baiboly: Ny Baiboly dia sady avy amin’ny tantaran’olombelona no avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra. Mahaliana tokoa ity tantara ity ka tokony hahalala azy izay rehetra mankamamy ny Baiboly. (...) Farany, dia manome toky ny mahita fa ireny fahitan-javatra rehetra ireny sy ireny fandinihana rehetra ireny rehefa fotorana dia miteraka fanamafisana ny porofon’ny fahamarinan’ny Soratra Masina, ary ny finoantsika mafy fa mitana manontolo ny tena Tenin’Andriamanitra.’ ”