“Aro ho an’ny fahasalamako”
Ny lehilahy iray mpanao famandrihana avy any Sénégal, any Afrika andrefana, dia nanoratra ireto teny ireto momba ny gazety Réveillez-vous!
“Mamaky tsy tapaka ny Réveillez-vous! amim-pahafinaretana lehibe aho, satria izy io mamelabelatra foto-kevitra tsara dia tsara maro, mitranga tanteraka ankehitriny ary tena ilaina eo amin’izao tontolo izao misy antsika ankehitriny. Nanao famandrihana hatramin’ny roa taona sy sasany aho. Maniry hisaotra ny mpanoratra sy mpampanonta aho, amin’ny alalan’ity taratasy ity, noho ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ny fiarovana ny fahasalamako, ary tsy ny ahy ihany, fa ny an’ny olon-kafa maro be koa izay afaka nanapa-patorana tamin’ny sigara sy paraky ka nihazona ny fahasalamana tamin’ny fanovozana ny hery ilaina amin’ny famakiana ireo lahatsoratra amin’ny Réveillez-vous!. Manohiza mampahafantatra ny olona ireo loza entin’ny sigara sy paraky, satria tsapako fa ny telo ampahefatry ny tanora dia mifoka sigara; mahatandindomin-doza ny fahasalamany sy ny an’ny hafa izy ireny, ary ambonin’izany dia mandanilany foana ny volany. Misaotra noho izay rehetra fantatro amin’ny famakiana ny gazetinareo.”
Heverinay fa hitondra soa ho anao koa ny famakiana ny Réveillez-vous!. Manaova famandrihana herintaona; amin’izany dia ampy ho anao fotsiny ny mameno sy mandefa ny tapakila famaliana eto ambany amin’ny fampiarahana aminy ny vola 10400 FMG.
Aza fady mba anaovy famandrihana herintaona amin’ny Réveillez-vous! aho. Ampiarahiko amin’ity ny vola 10 400 FMG ho amin’ny nomerao 24 amin’io gazety io (nomerao 2 isam-bolana).