“Manao ny marina amin’ny fivavahany”
Raha mbola niseho ho tena tia ny niara-niasa tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo sampan-draharahan’ny fitondram-panjakana nizeriana tamin’ny fikasam-panorenana iray, dia nisy mpanao gazety sy filoha ara-pivavahana sasany nanandrana nitady fahasahiranana ho azy ny amin’ny fialanalanana. Kanefa, nanao lahatsoratra midera ny mpanao gazety hafa. Ny iray tamin’izy ireo, izay mpitsara, dia nanontany raha “niseho ho olona tsy tia ny taniny marina tokoa” ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy ny ambarany, manome valin-teny: “Olom-pirenena mpanaja lalàna ny Vavolombelona, mandoa ny hetrany. Ny Vavolombelona (...) rehetra izay mety hanao ny marina amin’ny fivavahany ka vonona ny hahafoy tombontsoa sasany, mba hanekena azy dia hanao ny marina koa amin’ny lafiny maro hafa. (...) Ny antony handavany ny hangalatra amin’ny fitondram-panjakana, raha mbola miventy ny hiram-pirenena ny mpiara-miasa aminy (...) rehefa avy nanodinkodim-bola, dia noho ny Baiboly, izay mangataka azy tsy hanao ny hiram-pirenena, milaza aminy tsy hangalatra koa.”